Socio-eco

ELECTRONICS DAYS 9.0: Nampahafantatra ny mpianatra vao afaka bakalorea ny lalam-piofanana électronique sy nomerika


Taona voalohany ao amin’ny lalam-piofanana “électronique” eny amin’ny  Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA) eny Vontovorona  i Razabarison Andoniaina Voahary. Mandray anjara tamin’ny Electronics Days 9.0, hetsika karakarain’ny Polytechnician Electronics Engineering Collaboration (PEEC), fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny ESPA Vontovorona, ity tovovavy vao erotreroriny ity. Hetsika natao hampirantiana ireo voka-pikarohan’ny mpianatra amin’ny sampam-pampianarana “électronique” eny amin’ny ESPA  izy ity. Natao ny 22 sy 23 aogositra 2025 ny Electronics Days andiany fahasivy teny amin’ny Orange Digital Center(ODC), Gare Soarano.

Tetikasa 20 nataon’ireo mpianatra manomboka amin’ny taona voalohany ka hatramin’ireo nivoaka ho injeniera tao amin’ny sampam-pampianarana “électronique” no naseho nandritra ny roa andro. “Hampahafantatra an’ireo  mpiantra avy nanala bakalorea teo fa misy izany sampam-pampianarana électronique izany no tanjon’ny hetsika. Ho fampahafantarana ihany koa ireo tetikasan’ny mpianatra sy hampifandraisana azy ireo amin’ny  mpandraharaha matihanina amin’ny resaka nomerika sy électronique mba tsy hijanona ho prototype fotsiny ny voka-pikarohan’izy ireo”, hoy i Rakotoarison Andrinirina, Filohan’ny PEEC.

Voka-pikarohana manampy ny tantsaha

Fitaovana manampy ny tantsaha hanamora ny fanondrahana tanimboly antsoina hoe “Système de Champ Auto-Irrigué” na SCAI no tetikasa arantin’ny ekipa misy an’i Andoniaina Voahary. Miy efatra mianadahy izy ireo no anaty ekipa, samy taona voalohany.  Ahitana toerana fanatobiana rano sy fantsona mandefa ny rano eny amin’ny tanimboly ny SCAI. Mandeha amin’ny herinaratra ity fitaovana ity saingy herinaratra avy amin’ny masoandro no modely  nataon’izy ireo. Vao modely voalohany no novokarin’ireto mpianatra ireto ka kaomadiana amin’ny alalan’ny solosaina ny fampandehanana izany fa manana vina hanamboatra modely kaomandiana amin’ny alalan’ny finday. “Mampihena fampiasam-batana sy ny fotoana lany  ity voka-pikarohana  ity. Ianao ihany dia afaka manondraka ny tanimbolinao na firy hektara aza”, hoy i Andriamanantsoa Tokiniaina Andry, lehiben’ny tetikasa SCAI.

Tadifitra ao anatin’ny “Electro-Week, hetsika fanaon’ny ESPA isan-taona ny “Electronics Days”. Hitohy amin’ny herinandro ny hetsika, toy ny famelabelaran-kevitra momba ny fampananan’asa sy atrikasa  momba ny famoronana “circuits éléctrnoiques” ny 25 aogositra 2025, eny Vontovorona  sy ny andro natokana ho an’ny fanatanjahantena natao hoan’ny mpianatra, mpampianatra sy mpianatra taloha ary ny fifaninanana e-sport izay misokatra ho an’ny daholobe, atao eny amin’ny ODC Gare Soaranony 27 aogistra 2025.

Nanamafy  i André Fabrice, Filoha tale jeneralin’ny Orange Madagascar fa manohana ny hetsika tahaka izao satria soa  fanararaotra ho an’ny tanora Malagasy ny nomerika.  Manohana ny tanora ny orinasa  mba ahafahan’izy ireo manatanteraka fanirian’izy ireo sy mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny nomerika eto Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *