Socio-eco

DORO-TANETIN’NY TSY MIALA VOLA : Tsy hitan’ny tomponandraikitra ny hisakanana azy


Resahana hatrany ny fiovan’ny toetr’andro ankehitriny. Lany andro mampianatra sy mampatsiahy amin’ny tsy tokony handoroana ny tanety sy ny ala any amin’ny faritra arovana ireo tomponandraikitra isankarazany. Vola be no lanin’ireo firenen-dehibe hanampiana ireo firenena eritreretin’izao tontolo izao fa mbola mety hisintomana ireo entona mangeja hafanana ( Gaz à effet de serre) izay mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro. Andanian’ny firenena mpanam-bola ny ady amin’izany aty amintsika toy ny fiarovana ireo ala voajanahary, ny fanentanana ireo mponina mba tsy handoro ala. Zava-misy ankehitriny anefa mitohy hatrany ny fandoran’ny olona ny tanety, ireo ala ao amin’ny faritra arovana… Doro-tanetin’ny tsy miala vola no azo ilazana azy. 61 km miala an’i Mahajanga manamorona ny lalam-pirenena dia nahita izany androany Alahady 29 Septambra 2019 tamin’ny 1 ora atoandro. Sarotra amin’ny tomponandraikitra ny mahita ireo mpandoro tanindrazana ireo. “Tsy mbola nisy tratra ireo mpandoro tanety ireo satria sarotra ny mahita azy ireny”, hoy ny tomponandraikitra amin’ireny toerana hisian’ny doro-tanety ireny. Fiarovana no azon’izy ireo atao mba tsy hitaran’ny afo amin’ny ala arovana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *