Socio-eco

Diplomasia malagasy: Mila averina amin’ny laoniny


Efa ho herinandro ny sendikan’ny mpiasan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny (SYNCORMAE) no nitokona. Ny fepetra momba ny asa no anton’izany. Miompana amin’ny teboka roa ny fitakianay dia ny fametrahana drafi-pandaharan’asa mazava sy ny fanomezana tambin-karama, hoy ny filohan’ny SYNCORMAE, Adoghi Pilaza. Araka ny fanazavan’ny sendika fa tsy resaka politika ny fitokonan’izy ireo fa fametrahana ny hasin’ny diplomasia Malagasy.
Efa nifampiresahana ela ireo fitakiana ireo. Ho an’ny drafi-pandaharan’asa izao efa ho 20 taona no niady an’io ny sendika. Mbola mitohy ny fifampiresahana hatraman’izao. Ho an’ny tambin-karama indray dia efa roa taona no nitakiana izany. Fantatra nandritra fitokonana nataon’ny SYNCORMAE ny 07 jona 2018 teo anoloan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny, Anosy fa efa voasonia ny didy fampiharana ny fandoavana ny tambin-karama takian’ny sendika. “Isaoranay ny Ministra Henry Rabary- Njaka fa izy irerey ihany no nahavita nanao izany”.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *