politique

Dinika ho fanavotam-pirenena: Miantso ny miaramila


Eo anatrehan’ny didy navoakan’ny fitsarana Avo momba ny lalam-panorenana (HCC ) momban’ny fitorian’ireo solombavambahoakan’ny fanovana, naneho ny heviny ny Dinika ho Fanavotam-pirenena ( DFP ). « Miantso ny miaramila izahay hiaro ny fanatanterahana ny fifanarahana politika hivoahana amin’izao krizy izao », hoy ny filohan’ny DFP, Maharavo Ratolojanahary.
Tokony hirosoana io fifanarahana politika io satria mihatra avy hatrany ny didy navoakan’ny HCC iny. Iny didy iny, manery ny mpanao politika hanao ny fifanarahana politika ihany koa. Korontana anefa ny vokatr’iny didy iny raha ampiharina.
« Tsy atokisan’ny mpanao politika intsony ny fitondrana ka noho izany hirosoana ny fifanarahana politika ». Fantatra ihany koa fa mijoro ny hery politika , ny FFKM ary efa nivory tamin’ny faran’ny herinandro iny, hoy hatrany ity filohan’ny DFP ity.
Efa fanao ny mivoaka ny lalam-panorenana toy iny didy iny. Ny fanaovana fifanarahana politika midika fa mivoaka ny lalam-panorenana. Noho izany rehetra izany, miantso ny ambaratonga ao amin’ny tafika mba hiaro ny fanatanterahana ny fifanarahana politika izy ireo satria mila tanjaka ny fanatanterahana azy.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *