Socio-eco

COVID-19 :Nanolotra akanjo fiarovana 5 200 ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana i Ambatovy


Ho fanohanana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina Covid-19 dia nanolotra akanjo fiarovana (combinaison de protection) 3 000 tamin’ny tomponandraikitra mahefa eto Antananarivo ny orinasa, ny Alakamisy 9 avrily 2020. Izao fanomezana izao dia tohin’ireo efa natolotra ireo tomponandraikitry ny fahasalamana tao Toamasina, Moramanga sy Brickaville, ka nahatratra 5 200 isa ny fitambaran’ireo akanjo fiarovana rehetra nozaraina tamin’ireo faritra ireo. Ireto akanjo fiarovana ireo dia  afaka manaron-tava sy loha. Miaraka  amin’ny arovava sady miaro amin’ireo singa madinika mety ateraky ny « radioactivité» (EN 1073-2, sokajy faharoa) sy ny otrikaretina (EN 14126), ka mahafeno ny fenitra teknika sy ny lafiny fahasalamana takiana. Ireo mpiasan’ny fahasalamana voalohan-daharana, mitsabo ireo mararin’ny COVID-19 sy ireo manao fitiliana, ary ireo rehetra manana andraikitra mivantana ka mety atahorana hifindran’ny Covid- 19, isan’izany ireo eny amin’ny «barrages sanitaires», no hampiasa ireto akanjo fiarovana ireto, mba hiarovany tena amin’ny tsimokaretina. Fanampin’ireo fandraisana anjara efa natolotr’Ambatovy hatramin’ny volana lasa ireto akanjo fiarovana 5200 ireto, ary tafiditra indrindra ao anatin’ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nitondra ireto fanampiana manaraka ireto ho an’i Toamasina sy Moramanga koa ny Orinasa  toy ny kojakoja sy fitaovam-pitsaboana nomena ny hôpitalin’i Toamasina sy Moramanga, izay nahitana, ohatra, « oxymètres de pouls », « nébuliseurs à compression d’air », « sondes
d’intubation trachéale avec valve », « masques FFP3 », « lunettes à oxygène pédiatrique », « gants médicaux et chirurgicaux », « brancards pliables », « thermomètres électroniques », ary kidoro. Vary 500 kg sy menaka 28 tavoahangy nomena ny BNGRC tao Toamasina. Sakafo 2 235 isa ho an’ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny CHU Morafeno sy ny « Centre de Commandement Opérationnel » ao Toamasina, ary ho an’ireo mpiasa eny amin’ny « barrages sanitaires » amin’ny Lalam-pirenena faha-2 (Marozevo sy Beforona).
Hatreto dia mahatratra 132 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ny fandraisana anjara nentin’Ambatovy amin’ny ady atao amin’ny Covid-19.
Nangon’i Nirina R.


One comment on “COVID-19 :Nanolotra akanjo fiarovana 5 200 ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana i Ambatovy

  1. Pingback: COVID-19 :Nanolotra akanjo fiarovana 5 200 ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana i Ambatovy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *