Sport

« Coupe du monde 2018 » : Mandefa ny lalao 64 ny Startimes


Nanatanteraka ny fampanantenany ny orinasa Startimes. Handefa ny lalao miisa 64 iadiana ny « coupe du monde 2018 » atao any Rosia ny Startimes manomboka rahampitso 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018. “Chaîne” mpandefa lalao ara-panatanjahantena efatra be izao no handefa ireo lalao rehetra ka ao anatin’izany ny “chaîne” ST world football HD, ST sport focus, ST sport premium HD, ST sport life. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, nambaran’ny tale jeneralin’ny Startimes, Julien Jin fa ireo “chaîne” ara-panatanjahantena hita ao amin’ny “bouquet Classic amin’ny vidiny 40.000 Ariary dia ho hita ao amin’ny bouquet basic izay vidiana 20.000 Ariary.
Misy amin’ireo lalao fifanintsanana no mandeha amin’ny atoandro. Efa nitsinjo mialoha an’ireo mpankafy baolina kitra ny Startimes. Misy ny “application” novokarin’ny orinasa ahafahana mijery ny lalao amin’ny alalan’ny finday “smartphone”. 5000 Ariary ny vidiny ary manankery androany sy rahampitso ity tolotra ity, hoy ny tale ara-barotry ny Startimes, Aina Ralai. Ankoatra izany, misy ny fandaminana natao ho an’ireo tsy manana fahefa-mividy hanjifa ny startimes na ireo tsy manana televiziona. Miara-miasa amin’ny kaominina an’Antananarivo renivohitra ny orinasa Startimes ka hisy ny fandefasana lalao amin’ny “écrans géants” isaky ny boriborintany enina.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *