Sport

COSAFA CUP 2018: Mitarika ao amin’ny vondrona misy azy ny Barea


Nanomboka omaly 27 Mey 2018  ny COSAFA atao atsy amin’ny nosy Maorisy. Nisantatra izany ny lalao nifandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Mambas Noires avy atsy Mozambika. 6 minitra nilalaovana, nahatafiditra ny baolina voalohany ny Malagasy tamin’ny alalan’i Hasina Andrianarimanana sady baolina voalohany amin’ny COSAFA CUP 2018. Tsy maintsy nanova mpilalao ny Mambas Noires hanovana ny fomba filalao ka nampiditra an’i Celso Abdul nasolo an’i Francisco Muchanga tamin’ny minitra 24. Nahomby ny tetika nataon’ny mpanazatran’ny Mozambikianina satria nahatafiditra baolina izy ireo tamin’ny alalan’i Luis Miquissone minitra faha-50 tamin’ny fidirana faharoa. Tsy ela  akory  fa folo minitra tao aorian’ny baolina tafiditry ny Mambas,  nahatafiditra baolina faharoa i Andriamanjato Tokifandresena sady nitondra antsika tany amin’ny fandresena . Mitarika ny Barea ao amin’ny vondrona A misy antsika izay ahitana an’i Mozambika, Comores ary Seychelles. Nisaraka ady sahala 1 no 1 kosa i Comores sy Seychelles. Lalao manaraka ho an’ny Malagasy, atao rahampitso 29 Mey 2018 izay hihaonany amin’i Seychelles. Ny lalao farany ataon’i Barea amin’ity vondrona A ity, ny fihaonany amin’i Comores ny 31 Mey 2018. Marihana fa ny vondrona B, ahitana an’i Botswana, Angola, Maorisy ary Malawi. Amin’ny 09 Jona 2018 no hifarana ny fifaninana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *