Sport

CLUB DES SUPPORTERS FOOTBALL MALAGASY : « Ny nahatonga ny anarana hoe Barea »


Tonga ny fotoana ampahafantarina ny olom-pirenena  izany « Barea »  izany.  Malaza ny ekipa-pirenena malagasy  ankehitriny indrindra ny anarana ho entiny. Betsaka anefa ny tsy mahalala ity atao hoe « Barea » ary ny antony nampitondrana io anarana io ny ekipa-pirenena malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra. Maro isan-karazany ny omby eto Madagasikara ary samy manana ny iantsoana azy. Omby dia ny « Barea » izay hita any Maintirano, Tsiroanomandidy ary mbola ahitana azy ihany koa ny any Ankazobe. Masiaka ny « Barea » ary fantany ny fisian’ny olona any amin’ny telo kilometatra manodidina azy, hoy ny filohan’ny « Club des Supporters Football Malagasy » (CSFM), Rakotondrahova Honoré.

Nosafidiana ny anarana

Ny taona 2005 no nieritreritra ny Federasiona ny baolina kitra malagasy ( FMF) fa ovaina ho omby ny anaran’ny ekipa-pirenena malagasy izay scorpion de Madagascar  tamin’izany fotoana izany sady harena betsaka eto madagasikara raha teo ny omby. Nipetraka ny fanontaniana tamin’izany fa nahoana ny famantarana ny federasiona no omby nefa scorpion ny anaran’ny ekipa-pirenena ?  Niantso ny CSFM izy ireo tamin’izany mba hiaraka amin’ny FMF ka nanangana ny « comité ad hoc ». Nahitana an’i Rakotondrahova Honoré, filohan’io « comité ad hoc » ,  Ranaivo Louis de Gonzague Sekretera jeneraly CSFM, mpanao gazety roa, mpilalao tao amin’ny Scorpion roa, mpitsara roa ary ny mpikambana tao amin’ny FMF. Nisy ny fifaninana natao ho an’ny olom-pirenena malagasy  tsy an-kanavaka. Miisa 320 ny anaran’ny omby voaangona nanerana ny nosy. Valo tamin’ireo no niatrika ny famaranana ka lany tamin’izany ny « Barea ». Ramatoa Razanajoelina Clotilde avy any Maintirano nahazo izany loka izany.

Marihana fa efa 20 taona no niforonana’ny Club des Supporters Football malagasy ( CSFM ).

Nirina R.


One comment on “CLUB DES SUPPORTERS FOOTBALL MALAGASY : « Ny nahatonga ny anarana hoe Barea »

  1. Pingback: CLUB DES SUPPORTERS FOOTBALL MALAGASY : « Ny nahatonga ny anarana hoe Barea » - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *