Kôzy ve?

CEREMONIE DE MAVOLOHA En réponse à nos questions, ils ont dit :


Rajaonarimampianina Hery, Président de la République.

01 Delire Rajaonarimampianina Hery

“Ny tanora tsy ho very anjara, ny kilonga tsy ho diso tandrify… Nataotsika ny ezaka rehetra ary tsy maintsy mbola ho tohizana izany, fa izay vita hatreto aloha dia nahafa-po ka ny vokany dia nahazoantsika ny antsoina hoe Facilité élargie de crédit na ny FEC izany…”

Véronique Vouland, Ambassadeur de France.02 Delire Véronique Vouland

«L’accueil du 16ème sommet de la Francophonie n’est peut-être pas déjà prêt ! Mais en tout cas, Il y a un très gros travail qui est fourni pour accueillir ce sommet dans les meilleures conditions possible, et nous soutenons naturellement ce travail qui est dans toutes les directions à la fois pour l’accueil matériel, pour la logistique, pour les infrastructures qui sont en cours de réalisation»

Andrianarivoson Nirina Nicole, Conseillère Spéciale PRM

03 Delire Andrianarivoson Nirina Nicole

«Misy mangataka ny fialan’ny Filoham-pirenena fa hoe tsy mahavita azy, nefa nandritra izay fotoana izay tsy ny Filoham-pirenena akory no nahatonga antsika hoatran’izao fa ny Filoham-pirenena aza miezaka mba hanarina ny firenentsika. Tsy ao anatin’ny indray mipimaso akory dia ho vita daholo ny zavatra rehetra izao fa miankina amintsika tsirairay avy. Koa manentana antsika rehetra mba hanolo-tanana, hanolo-tena hanampy ny Filoham-pirenentsika mba hampandroso an’ity firenena ity »

Benito Sanchez Gaspar, Ambassadeur de l’Union Européenne

04 Delire Benito Sanchez Gaspar

«On a déjà atteint une certaine vitesse de croisière en ce qui concerne notre coopération. L’accord de principe avec le FMI pour continuer à avancer l’appui budgétaire sur l’ensemble des programmes est très important. Je voudrais insister que l’embranchement de l’UE est complète et totale avec Madagascar. L’accord avec le FMI est important parce que çà réaffirme la crédibilité des réformes mises en œuvre par le Gouvernement»

Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, FFKM, Chef d’Eglise Anglicane

05 Delire Mgr Ranarivelo Samoela Jaona

«Miarahaba ny vahoaka sy ny Tafika ! Mirary filaminana sy firindrana fa samy tompon’andraikitra daholo isika eto ary tsisy afaka hahavita an’ity samy irery fa tsy maintsy mifanolo-tanana. Manana ny fomba fiasany sy ny zavatra kendreny ny FFKM. Ny anjaranay dia manamora ny fifampiresahana eo amy samy mpanao politika sy ny mpisehatra rehetra, fa ny ankoatra izay dia ny vahoaka no vizana raha samy hifanenjana eto”

Pasteur Arild Bakke, Consul Général Honoraire de Norvège

06 Delire Pasteur Arild Bakke

”Enga anie ho tanteraka ny programa tsara maro izay apetraka ampandrosoana ny vahoaka malagasy. Maniry izahay mba hahita fivoarana hialana amy fahantrana ny Malagasy ary indrindra hiaina anaty fahamarinana sy fahazavana. Tsy tapaka ny fifandrasan’i Norvège sy Madagascar fa mitohy hatrany”

Rakotonirina Gérard, Président OJM

07 Delire Rakotonirina Gerard

“Nanao kabary mampihavana na “discours rassembleur” ny Filoha. Miantso fitoniana mba ahafahana mampandroso. Nambarany ny zava-bitany sy ny mbola ho ataony, fa zon’ny vahoaka tokoa ny mahalala izany”

Kolo Roger, ancien Premier-Ministre

08 Delire Kolo Roger

«Be loatra ny tsaho isan-karazany mampisavoritaka ny lohan’ny olona, nefa misaotra an’Andriamanitra fa vita soa ny fetin’ny miaramila… Zava-dehibe ny hiainana «dépénalisation», ny «responsabilisation» dia «internationale», «partout» izay alehanao dia tsy maintsy misy ny «responsabilisation»’ny tompona presse»

Monja Roindefo, ancien Premier-Ministre, Filoha MONIMA

09 Delire Monja Roindefo

«Ny artikola mikasika ny gazety dia betsaka ny zavatra tokony hahitsy ao anatin’iny Code de Communication iny. Matoa hahitsy ilay izy dia tsy fantatro tsara hoe aiza ny toerana misy ahy, ao an-damosin’ny Mpanao gazety aho ve sa mifampiantsy aminy, fa tokony hahitsy ilay izy»

Rabary Paul, Ministre de l’Education Nationale

10 Delire Rabary Paul

«Ny programan’asan’ny fanabeazana mampiaty (olona manana fahasembanana) dia programan’ny Ministera efa natomboka tamin’ity taona ity, ary tsy hijanona raha tsy hahatanteraka izany satria ao anatin’ny vina fampandrosoana ny fampianarana maneran-tany izany, dia tsy maintsy adidintsika ary asantsika tanteraka»

Rakotovazaha Olivier, Sénateur Filohan’ny vaomiera Lalàna, SG MFM

11 Delire Rakotovazaha Olivier

”Mikasika ny art.20 dia lalàna efa lany tamy ny 2014, izany hoe mbola tsy nisy akory ny Antenimierandoholona no efa lany io lalàna io. Nisy fotoana nifandroritana tamin’ny Mpanao gazety sy ny Fanjakana dia nahantona. Ny NTIC moa no misy azy, izay tsy mifanaraka amy ny Code de la Communication natao ho an’ny Mpanao gazety fotsiny. Fa ny lalàna momba ny cybercriminalité dia natao ho an’ny rehetra mampiasa ny tambazotra serasera, koa raha hahitsy dia tsy maintsy lalàna hafa ankoatra ny Code de la Communication no manao ny fanitsiana”

Vaovao Benjamin, Conseiller politique à la présidence, AREMA

12 Delire Vaovao Benjamin

«Ilaina ny hisian’ny fifampifehezana amy fanajana ny hevitry ny tsirairay. Tsy afenina fa matetika lasa aloha loatra ny vaovao miseho. Tsy ampy loatra ny fanaovana «recoupement». Nefa misy tsininy koa ho anay tompon’andraikitra izay manao rétention d’information. Eo izany tokony andanjalanjana ny fandrindrana ny lalàna avoaka na tazonina na tsia, ahoana ny andraikitry ny andaniny sy ankilany. Mila hadihadiana lalina io, mety ny sosokevitry ny Assemblée Nationale hoe hatsangana ny « commission paritaire » misy solontenan’ny Mpitondra, sy Parlemantera ary Mpanao gazety. Amin’izay voarindra tsara mba tsy hifanome tsiny lava taorian’iny krizy be iny»

Manandafy Mahery, Analyste Politique

13 Delire Manandafy Mahery

«Mora ny manimba fa sarotra ny manarina. Tao anatin’ny 8 taona isika no niala tamin’ny fahatokisan’ny FMI sy ny bailleurs rehetra. Tao anatin’ny 6 taona isika no voaroaka tanaty Annexe B. Tafaverina izany izao. Tokony ho tohizana».

Randriamifidimanana Ntsoa, Rallyeman, Opérateur Economique

“Aleo rallye an’ny firenena aloha no resaka. Tsy miresaka afa-tsy ny fanovàna toetsaina isika fa raha mbola hasarotina amy toetsaina entina hanapotehana angamba tsy mety intsony, fa ndao hanarina sy hampandroso. Miankina aminareo Mpanao gazety ny resaka art. 20 fa izaho tsy afaka hitsebaka ao an-tokotaninareo”

 

Randrianasoavina Charles, Lieutenant-Colonel de l’Armée malgache

15 Delire LC Randrianasoavina Charles

«Sao dia mampigadra ahy izany…!

Maka Alphonse, Journaliste chroniquer politique

16 Delire Maka Alphonse

”Tsy ianao irery Razaka no niteny hoe mitovy izahay sy Pasitera Mailhol alahatrao amiko eto io. Nataon’Andriamanitra izany fitoviana izany kanefa izahay tsy kambana, tsy mpihavana akory. Tany Inde sy Canada ary Norvège koa maro ny olona nilaza fa mitovy izahay sy Nelson Mandela”

 

Grand Maitre Randrianarijaona Avoko, Expert en Kung-Fu

17 Delire Grand Maitre Avoko

“Mbola mangina mihitsy aloha izao !”

Propos recueillis par Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *