Socio-eco

CARNAVAL DE MADAGASCAR : Mampiroborobo ny fizahantany


Ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 jona ny hetsika ara-koltoraly “carnaval de Madagascar”. Niova ny toerana tamin’ity andiany faha-efatra ity. Eo anoloan’ny kianja ben’ny Mahamasina no hanatanterahina ny hetsika mandritra ny roa andro. Isaky ny atoandro amin’ny 12 ora ka hatramin’ny roa ora dia hisy ny diabe ho ataon’ireo fikambanana hampahafantatra ny kolontsaina mampiavaka ny faritra 22. Ny ofisim-paritry ny fizahan-tany Analamanga (ORTANA) no mikarakara ny hetsika. Trano heva 50 hampiranty ny toerana azo tsidihana eto amin’ny faritra Analamanga. Hisy ihanykoa ireo trano heva natokana ho an’ny faritra hafa. Amin’ny alalan’ny voandalana mampalaza ny toerana iray no hampahafantarana ireo toerana azo tsidihina, hoy ny talen’ny ORTANA, Harimisa Razafinavalona. Araka ny fanazavany hatrany dia tanjon’ny “carnaval de Madagascar” ny hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara.
Mpiara-miombona antoka amin’ny fikarakarana ny “carnaval de Madagascar” ny Mada Vision sy Be Mozik. Ankoatra ny tsenaben’ny faritra, hanao fampisehoana maimaim-poana ny tarika Mage 4 ny sabotsy 16 jona. Anjaran’ny tarika Samoela kosa ny alahady 17 jona 2018.
Lynda A.

Samoela

Harilala Ramanantsoa


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *