Sport

CAN 2019: Manolotra loka hivahinianana any Egypte ny Orange


Tanora malagasy telo ho any Egypte, hanatrika ny CAN 2019. Fanirian’ny Orange ny hampianoka ny mpitia baolina kitra, tantara tsy manam-paharoa.  Amin’ny maha mpanohana ofisialy ny CAN 2019 dia nikarakara lalao ahafahan’ireo mpankafy maneho ny fitiavan’ny baolina kitra ny Orange.  Tsara vintana  tamin’izany  Ralaivao Fety Harimanana sy Ramarosandy Zosahaza Marline. Tamin’ny alalan’ny lalao “fan of my country” sy “best of commentator” no nahazoan’izy roa lahy tapakila hivahiniana any Egypte ny 27 ka hatramin’ny 30 jona 2019  sy tapakila hijerena ny lalao hifanandrinan’i Barean’i Madagasikara sy Burundi, ny 27 jona 2019. Lalao natao ho an’ireo mpitia baolina kitra amin’ireo firenena misy ny orinasa Orange, ao anatin’i Madagasikara, ny “fan of my country”. Fandefasana sary tsara indrindra  maneho fa “supporter” ao anatin’ny plateforme Orange Football ny fitsipi-dalao.  Lalao natokana ho an’ireo mahay mitantara baolina kosa “best of commentator”. Nampahafantarina nandritra ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpandresy, 24 jona 2019 ihany koa ny tompondakan’ny “jeu vidéo” eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fifaninanana PES 2019 nokarakarain’ny Orange. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny lalao famaranana “Orange Esport Experience” atao any Egypte ny 17 sy ny 18 jolay 2019 Ralainaivo Rayan Mamitiana Herilanto. Hiantohana avokoa ny  fivahinianany any ary mbola mahazo tapakila hijerena  ny lalao famaranana ny CAN ny 19 jolay ihany koa izy. Mampahafantatra ny mpitia baolina kita eto Madagasikara ihany koa Tale jeneralin’ny Orange, Michel Degland fa hampita mivantana ireo lalao ataon’ny Barea any Egypte ny orinasa  noho ny fiarahamiasa amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny serasera ary ny ORTM (Radio et Télévision publiques de Madagascar).

Nirina R.


One comment on “CAN 2019: Manolotra loka hivahinianana any Egypte ny Orange

  1. Pingback: CAN 2019: Manolotra loka hivahinianana any Egypte ny Orange - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *