Socio-eco

BRIGADE CRIMINELLE: Tratra ireo mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra.


Nanao fidinana tampoka teny Analakely nataon’ny Polisy misahana ny fikarohana, telo mianadahy no tra-tehaka. Vehivavy mpitantana orinasa misahana manokana momba ny finday ny iray ary lehilahy tompona “Kiosque” sy mpanampy azy kosa ny roa hafa. Ny fanovana ny laharana IMEI (International Mobile Equipement Identity)  amin’ny finday izay tsy ahafahan’ny mpitandro filaminana mitady ireo mpanao sinto-mahery na manara-maso ny antson’ireo mpaka an-keriny no antony nitaozmana azy ireo. Nambaran’ny  lehiben’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava (Chef de service central  chargé des affaires criminels) Jean RAKOTONDRASOA fa  io laharana IMEI no ahazoana mamantatra ny laharana vaovao miasa amin’ilay  finday nangalarina.

Afaka manova izany anefa ireto mpiray tsikombakomba tratra ireo ka nogiazana niaraka tamin’izy ireo ny fitaovana nampiasain’izy ireo nanaovana asa-ratsy oty ny ordinateurs portables miisa 07, disques durs externes sans capots 02, box bleuline 4G iray,  finday maromaro…

Samy manana  ny laharana IMEI mampiavaka azy ny finday rehetra rehefa tsindriana ny *#06#. Raha very ny finday iray dia fantatra avy amin’io IMEI io izay laharana vaovao  amin’ilay finday.

Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo miaraka amin’ny fitaovana nogiazana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *