Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 3 desambra 2025, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ireo boky ho an’ny ankizy miisa roa ao anatin’ny collection “Vakoka”. Amin’ny teny malagasy sy frantsay ireto boky natao hanandratana ireo andrarezin’ny asa soratra Malagasy ireto. Ny Éditions Teny, tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa tamin’ny Fonds Yavarhoussen no namoaka izany. Manandratra ireo kalaza amin’ny literatiora malagasy miisa roa ity andiany voalohany ity: Jacques Rabemananjara sy Jean-Joseph Rabearivelo. Jacques Rabemananjara, « Poète et militant » (Poeta sy mpitolona) ny lohateny ny boky voalohany. Mampiseho ny tantaran’i Jacques Rabemananjara izay sady mpanoratra no anisany nanamarika tantaran’ny politika teto Madagasikara ity sangan’asa notontosain’i Dominique Ranaivoson sy Florence Dimani ity. Sese Dille no nanao ny haingon-tsary.
Ny boky faharoa indray dia miresaka an’ i Jean-Joseph Rabearivelo, « Un poète entre deux mondes » (Poeta miroa tontolo). Florence Dimani no nanoratra azy. Dwa no nanao ny haingon-tsary. Mitondra ny mpamaky hamakivaky ny fiainan’ny « mpanjaka ny poeta » ity sangan’asa iray ity.
« Natao ho an’ny ankizy, tanora, ho an’ny taranaka mifandimby ireto boky ireto mba ahafahan’izy ireo mahafantatra ny tantaran’ny literatiora malagasy. Ahitana asa soratra, ny fomba fijery amin’ireo asa soratr’i Jean Joseph Rabearivelo sy Jacques Rabemananjara sy ny fomba fanoratr’izy ireo ary nitondrany ny fiainany amin’ny maha mpanakanto azy ireto boky ireto », hoy Florence Dinami, tale misahana ny collection « Vakoka ».
Anisany fanamby ho an’ny Éditions Teny ny famokarana boky vita malagasy tsara kalitao ho an’ny ankizy. “Miezaka manandratra avo ny kalitaon’ny boky malagasy izahay. Fanamby efa hatramin’ny voalohany ny famoahana boky vita malagasy tsara kalitao, na ny asa soratra na endriky ny boky. Hery lehibe ho anay mpamoaka boky ny fanohanan’ny Fonds Yavarhoussen. Manana tanjona iraisana izahay: hanandratra ny kanto sy ny literatiora malagasy”, hoy i Razafimamonjiraibe Fanomezantsoa Herilalaina, mpitantana ny trano mpamoaka boky Éditions Teny. Namatsy ara-bola tamin’ny famoahana ireo boky ireo ny Fonds Yavarhoussen, araka ny fanazavany hatrany. Nanamafy i Razafimamonjiraibe fa tia mamaky boky ny ankizy. « Na misy écran aza eo dia mamaky boky foana ny ankizy rehefa omena boky. Mila omena eo ampelatanany ny boky », hoy izy. 55.000 Ariary ny vidin’iny boky iray.
Ra-Nirina


