politique

Boanoro Victor Henri : CSR lasa CFM


Azo lazaina ho Atoa Boanoro Henri Victor no zandriolona indrindra tao amy CSR na Conseil Supreme de la Révolution nandritra ny Repoblika Faharoa. Ny taona 1984 izy no notendren’ny Filoha Ratsiraka ho CSR ary mbola tanora tokoa satria vao 34 taona monja izy tamin’izay.

Taorian’ny hetsi-bahoaka 91 dia nipetrapepraka ny lehilahy. Rehefa tafaverina tamy fitondrana ny Prezida Ratsiraka tamy 1996, dia lasa Mpanolotsaina manokan’ny Praiminisitra izy. Ny taona 2000 dia voafidy tamy « suffrage universel » ho isan’ny « conseillers provinciaux » i Boanoro Henri Victor, ary lany ho Filohan’ny Conseil provincial Majunga tamy 2001. Nisy fialan’ny mambra Leader tao amy Governemanta dia notendren’ny Filoha Ratsiraka ho Minisitry ny Fikarohana Siantifika hatramy niakaran’ny Filoha Ravalomanana teo amy fitondrana. Anisan’ny AREMA modéré izy ka tsy voakitikitika tamin’ireny raharaha 2002 ireny, na dia tompon’andraikitra voaloohany AREMA faritany Majunga aza.

Mikasika ny fampihavanana Malagasy (CFM) dia nitsotra ity CSR tranainy ity fa ny olona mahalala azy, indrindra amy distrika Maevatanana, dia mahafantatra ny fanentrentena sy fitiavany io faritra Betsiboka io. Na dia nisy tranga nampalahelo niteraka disadisa be aza tamy conférence régionale, dia tanteraka ihany izany noho ny fitiavany ilay fihavanana. Izany tokoa no mbola nampazoto azy nirotsaka ho CFM ka lany.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *