Socio-eco

BNGRC : Manamora ny fanangonana ireo antontan-kevitra ny fanomezana avy amin’ny Orange Solidarité Madagascar


Mametraka fitokisana. Nanatitra fanampiana teny amin’ny Birao Nasionaly mitantana ny tandidon-doza sy ny loza (BNGRC) ny Orange Solidarité Madagascar ny 26 janoary 2022 teny Antanimora. Box internet efa misy connexion haingam-pandeha, smartphones no natolotry ny orinasa Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fikambanana ao aminy, Orange Solidarité Madagascar. « Hanamora ny  asa ataon’ny BNGRC ireto fitaovana ireto », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagasikara, Debord Frédéric. Nambaran’ny Filohan’ny fikambanana, Arson Benja fa mitondra ny anjara biriky hatrany Orange Solidarité indrindra ao anatin’ny andro sarotra tahaka izao voina nahazo ny firenena vokatry ny oramikija tao anatin’ny andro maromaro izao. Nilaza ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC, Jeneraly Andrianjaka Elack Olivier fa tena ilaina amin’ny fikirakirana ny serasera ireto fitaovana nomen’ny Orange ireo. « Tsy afaka manao na inona na inona raha tsy manana antontan-kevitra. Manampy be dia be amin’ny fanangonana  izany ireto fanomezana ireto satria ny tsy eto Antananarivo ihany ny BNGRC fa manerana an’i Madagasikara », hoy izy. Nohamafisiny fa vao misy zavatra mitranga eto amin’ny firenena dia tsy mila miteny akory ny BNGRC dia tonga ny Orange manampy. «  Midika izany fa mahatoky ny BNGRC ry zareo matoa mbola mazoto manome ary rehefa misy fahavoazana dia manatitra izany ety ». Amin’ny andro sarotra tahaka izao rahateo no tena ilaina firaisankina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *