Mahoraka

BETAFO ANTSIRABE : Olan’ny rano fisotro madio


Tsy mety milamina araky ny nambaran-dRa-THEO (FIBEMIH), mpitarika ny fiarovana ny Zon’ny mpanjifa ao Betafo ny fomba fitantanana ny rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Betafo, satria mitongilana mankany amin’ny mpitantana ny rano fotsiny hatrany ny fiarovan’ny tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana sy ny eo anivon’ny Sampandraharaham-paritry ny Rano Vakinankaratra ny zo sy ny tombontsoa fa tsy misy fijerevana velively ny zo sy ny tombontsoan’ny Mpanjifa!

Ilay orin’asa mpitantana ny rano dia manezaka mafy hatrany mametraka ireo tsindry samihafa ka ampitomboiny ny fakàna vola amin’ny mpanjifa :
Raha vao tara roa na telo andro monja ny fandoavana ny facture dia hampandoavana 1 500 Ariary indray ny mpanjifa miampy ny efa ao anaty facture.
Raha vao tsy mahaloa amin’ny fotoana tokony handoavana ny vidin-drano ny mpanjifa dia tapaka ny ranony ary mandoa 10 000 Ar indray vao mandeha raha hamerina…
Fa raha misy ny fampatsiahivan’ny mpanjifa ireo tolotra na ny zavatra tokony hataon’ireo mpitantana ny rano ireo amin’ny mpanjifa dia tsy henoina ary tsy nahitam-baliny mihintsy fa arirarira sy angatahan’andro lava.

60 000 ariary no aloha amin’ny fahazoana compteur amin’ny fampidiran-drano, tafiditra ao anatin’izany ny tokony hanamboaran’izy ireo ny aron’ilay compteur izay tokony hatao amin’ny simenitra. Tamin’ny voalohany ihany no nisy izany sy narahan-dry zareo fa taty aoriana sy amin’izao dia tsy nisy nahazo izany intsony ny mpanjifa nefa ny 60 000 Ariary tsy latsaka. Raha resahina anaty fivoriana izany dia teny anavona no azo; lazaina fa tsy tafiditra ao anatin’ny laha-dinika izany fa ny an’ilay mpitantana ny rano ihany no asisika sy aroso sy ny hoe raha tsy misy izany koa ve dia tsy mande ny rano sns.
Raha nolazaina fa mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ny rano tamin’ny voalohany na ny eny amin’ny borne fontaine, pompe-pokonolona na ny any an-trano, amin’izao dia misy ireo toerana tena voafetra ary mielanelana be ny ora fandehanan’ny rano ka mampitaraina mafy ny mponina fa dia tena mangetaheta ambony lakana, tompony mangatak’atiny.

Tsy mbola nisy na indray mandeha aza ny fanadiovana heno natao tamin’ny rano nandritra ny nitantanan-dry zareo nefa takian’ny fifanarahana izany fa dia toy ny taloha ihany nefa dia vidiana aman’alina aman’hetsiny amin’izao ny ranon’i Betafo raha 3 000 Ar teo aloha.

Raha ny voalazan’ny Minisitry ny rano dia hoe tokony hisitraka ny rano fisotro madio ny Vahoaka Malagasy amin’ny vidin’ny mirary! Fa raha ho an’i Betafo dia mbola hanaovan-dRa-THEO (FIBEMIH) fanairana ny tompon’andraikim-panjakana ihany hatrany hijery sy hanao ny fanadiadiana eny ifotony fa mioampampana ka tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa izay tantsaha sy ny mpianatra avy any ambanivohitra ny ankamaroany.

Nanangona: O.R


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *