Sport

BAREA MADAGASIKARA: FAMPIVONDRONANA AO LUXEMBURG- LALAO ANDRANA AO MAROC


Hatramin’ny  nahafantarana  ny  datv  nomen’nv  FIFA  ho  an’ny  lalao  ara pirahalahiana  2020 no efa nivonona sy niady hevitra ny Federaslona Malagasy ny Baolina kitra ny hanatanterahana izany. Niroso tamin’ny fitadiavana mpifanandrina ny teknisiana sy ny tompon’andraikitra, ary avy amin’izany   no nahitana ny ekipan’ny Burkina Faso.

Naroso sy notapahana teo anivon’ny Komity Mpanatanteraka izany tamin’ny alalan’ny fivoriany, ny 15 septambra 2020. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tompon’andraikitra ambony maro samihafa sy ny mpitantana ny Federasiona Marokanina hanamoràna ny fivahinianana any Maroc rehefa fantatra fa tsy azo atao any Portugal indray ny talao.

Rehefa izay dia  nifanatona  ny  FMF  sy  ny  Fanjakana  tamin’ny  alalan’ny  Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mpiahy ny federasiona, hijery ny hevitra ahatomombana amin’ny an­-tsakany sy an-davany ny fampivondronana ny eikipam-pirenena. Nanohy ny  fikarakarana  araka  izany  hatrany  nv  teo  anivon’ny  Federasiona.  Na  dia  teo  aza ny fifamahofahoana samihafa sy ny  vaovao  maro  niely dia  fantatra  fa  i  Burkina  Faso  ihany no hifandona amin’ny BAREAn’i Madagasikara.

Ankehitriny rehefa namerina nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny Federasion’ny Burkina Faso sy ny Maroc ny FMF, dia hamafisina fa efa andalam-pilaminana ny fikarakarana rehetra momba izany. Nanaiky  ny  hanampy  amin’ny  fanamoràna  ny  fidiran’ny delegasiona  malagasy  any an-toerana ny Federasion’i Maroc.

Nv lalao dia atao any El Jadlda ny Alatsinalny 12 otctobra 1020. Marihina fa nohon’ny fangatahana manokan’ny  mpanazatra  dia   hotontosaina   ihany   koa   ny   fampivondronana   izay   atao any Luxembourg  ary ihaonana amin’ny klioba Swift Hesperange, ny Zoma 9 oktobra 2020.

lsaorana etoana ny Fanjakana sy ny Ministeran ‘ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny tolo-tanana ataony ho an’ny ekipantsika, hoy ny FMF ao anatin’ny fanambarana nataony, ny CAF sy ny FIFA ary ny Federasiona rahavavy amin’ny fanamorana ny fikarakarana dia isaorana ihany koa noho ny fanampiany antsika. Ny Federasiona  Malagasy  ny  Baolina  kitra dia  manentana  antsika  hatrany amin ‘ny  firaisankina sy ny fanohanana ny BAREAn’i Madagasikara.

Nanangona : Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *