Sport

BAOLINA KITRA MALAGASY : Hikarakara fikaonan-doham-pirenena ny filoha vaovan’ny FMF


Ilaina ny hevitry ny rehetra mba hampandrosoana ny baolina kitra malagasy. Nanambara ny filohan’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF) vaovao, Arizaka Rabekoto Raoul Romain fa  hisy ny fikaonan-doham-pirenena hanatsarana ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Hevitry ny maro mahataka-davitra hoy izy. Ao anatin’ny fandaharan’asany ihany koa ny fanaovana fotondrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary vonona ny FIFA hanampy amin’ny fanaovana izany. Efa niresaka tamin’ny FIFA izy tamin’iny herinandro lasa iny fa vonona amin’izany fanatanterahana izany fotodrafitrasa izany izy ireo. Eo ny any Antsiranana, ny etsy Carion izay hatsaraina ho tsaratsara kokoa ary ny any Mahajanga. Nasiany teny ihany koa ny fieritreretana ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina. Ny fifandresen-dahatra no hitany tsy ampy satria tsy hita izay maharatsy ny fanamboarana  io kianjan’i Mahamasina io na ny eny Alarobia…Anisan’ny asa atao izany, hoy hatrany izy.

Fantatra ihany koa fa manana trosa navelan’ny teo aloha ny federasiona. Vonona amin’ny fanefana ireo trosa ireo izy. Ankoatra izay dia hanome tanana ireo kilioba miatrika lalao iraisam-pirenena ihany koa ity filohan’ny FMF vaovao ity satria voninahi-pirenena no arovan’izy ireo.

Nolaviny ny filazana fa nanome vola  5000 euro ireo filohan’ny ligy izy mba hifidianana azy.  « Tsy manana an’izany vola izany aho.  Vola gasy ny karamako, tsy mahatratra an’izany velively ».  Ny fifidianana dia fifandresen-dahatra, hoy izy ary nanao izany izy tamin’ny  fotoana nanaovana ny fampielezan-kevitra ka filohan’ny ligy 15 amin’ireo 22 no nifidy azy. Na eo aza izany dia ho asoavina daholo ireo ligy 22 ireo satria izy ireo no antom-pisian’ny FMF.

Nomarihany fa tsy mivonona hanao ampihimamba ireo fanampiana omen’ny mpiray miombon’antoka  avy any ivelany izy fa hiezaka hitsinjovana ireo ligy sy sekisaona  indrindra ireo kilioba izany fanampiana izany.

Vita omaly 02 Septambra 2019 ny famindram-draharaha teo amin’ny « Comité de Normalisation » napetraky ny FIFA nitantana ny baolina kitra malagasy nandritra ny sivy volana  sy ny filohan’ny FMF vaovao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *