Socio-eco

BANKY IRAISAM-PIRENENA: Nanome fanampiana amin’ny sehatry ny angovo sy ny fananantany


Fanampiana telo sosona no vita sonia tetsy amin’ny minisiteran’ny toe-karena sy ny vola teo amin’ny banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan’i Coralie Gevers, solontenany eto Madagasikara sy ny minisitra, Randriamandranto Richard omaly Talata 26 Martsa 2019. Eo ny fanomezana 150 tapitrisa dolara ho fanatsarana eo amin’ny sehatry ny herin’aratra ho an’ny tokan-trano, ny orinasa ary ireo toeram-pitsaboana. Avy amin’ny « Association Internationale de Développement »(IDA). Voafetra ny fampandrosona ara-tsosialy sy toe-karena noho ny havitsian’ny mahazo herin’aratra izay 15 isanjato ny mponina eto Madagasika ka nahatonga izao fanampiana izao. Tanjon’ny governemanta rahateo ny hampitombo avo roa heny ny ahazo izany amin’ny taona 2023. Eo ihany koa ny fanomezan’io banky iraisam-pirenena io ihany 90 tapitrisa dolara ho fanamafisana ny fandaharan’asam-pirenena momban’ny fiahiana sosialy. Ao anatin’ny tetikasa « projet de filets sociaux de sécurité » (FSS) izao fanampiana fanampiny izao. Efa nanomboka tamin’ny taona 2015 ny FSS ary nisy tetikasa telo ao anatin’izany dia ny « Argent Contre Travail Productif »(ACTP),  ny « Transfert Monétaire pour le Développement Humaine » (TMDH) ary  ny tetikasa FIAVOTA ho an’ireo tokan-trano any atsimo iharan’ny hai-tany. Fifanarahana faha telo farany dia eo amin’ny sehatry ny fananantany sy ny sehatry ny fambolena. Tantsoroka amin’ny fandaharan’asa nasionaly amin’ny fanomezana kara-tany. Vola mitentina 52 tapitrisa dolara izany fanampiana izany izay avy amin’ny IDA ho fampitomboana sy fampiroboroboana amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fananan-tany « Croissance Agricole et de sécurisation foncière » (CASEF). Tamin’ny taona 2016 no niatomboka ny tetikasa ka 228 000 mpamboly no efa nisitraka ny tombotsoa. Tanjona amin’ny taona 2020 ny hazoan’ny Malagasy kara-tany miisa roa tapitrisa. Hampitomboina ihany koa ireo faritra hahazo an’izany kara-tany izany. Faritra fito no fanampiny efa nisy hatrizay dia ny faritry Diana, Sava, Boeny, Betsiboka, Sofia, Alaotra Mangoro, Bongolava, Matsiatra ambony ary Amoron’i Mania.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *