Socio-eco

BABY SHOPPING : Hampihena ny fivezivezena


Mpivarotra matihanina amin’ny sehatry kojakoja momba ny zazakely handray anjara amin’ny « baby shopping », andiany faha-enina. Ny Prima baby ihany no mikarakara ny hetsika. Mandritra ny tontolo andron’ny sabotsy 9 jona 2018, eny amin’ny “hôtel le Pavé” Antaninarenina dia afaka miantsena ireo kojakoja momba ny zazakely ireo ray aman-dreny, na reny manomana fiterahana… “Fitafiana, kiraro, kilalao…amin’ny vidiny mirary no hita eny an-toerana”, hoy i Hanitra Raharisandratriniana avy ao amin’ny Prima Baby. Sady afaka miantsena no afaka manaraka fiofanana ny mpitsidika. Lohahevitra horesahana ny tapak’andro maraina ny lanjan’ny enin-taona voalohan’ny zaza. Hamelabelatra momba “paikady ampanjary ny fiainana amin’ny lafiny saina, vatana, fanahy, fitantanam-bola ao an-tokantrano ” kosa ny mpampiofana vehivavy, Bako Rabodoarimanana.

Toro-lalana ho an’ny ray aman-dreny

Misy ny fihetsika, fiteny tokony hananan’ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanany manomboka izy vao teraka ka hatramin’ny faha-enina taonany. Hivoaka amin’ny herinandro ho avy izao ny “guide prima baby” izay mirakitra toro-lalana hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zanany. Ankoatra izany, mitovy amin’ny “guide prima baby” teo aloha ihany dia ahitana toeram-pitaizana zaza latsaky ny enin-taona ny “guide prima baby” adiany faha-sivy. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Prima Baby, Haingo Rajaonah fa mbola toeram-pitaizana ankizy (crèches) eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ihany no hita ao amin’ny “guide prima baby”.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *