Socio-eco

ASSOCIATION LA CHARITÉ MADAGASCAR: Tsy mifidy finoana ny fanampiana ny mpiara-belona


In-droa isam-bolana ny fikambanana « association la charité Madagascar » no mizara sakafo ho any olona sahirana. Niova tamin’ny mahazatra izany tamin’ity “volan’ny ramadany” ity. Maromaro ny toerana hanaovana asa soa. Handeha hizara fanomezana any amin’ny toeram-pitaizana zaza kamboty an’ny masera ao Antsirabe ny fikambanana ny sabotsy 09 jona 2018 ho avy izao. Araka ny fanazavan’ny filohany, Mamod Zouber fa sakafo iray taonina isaky ny toerana hanaovana asa soa no atolotry ny fikambanana. Sakafo ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, mofo, menaka, “pâte à nouille”, ronono mandry mamy, siramamy, sira… no zarain’ny « association la charité Madagascar ».
Ankoatra ny fizarana sakafo, manana tetikasa fanamboarana vovo any Atsimo ny fikambanana. “Fatsakana fito izao no efa namboarinay”. Na dia mpino silamo aza ny ankamaroan’ny mpikambana ao anatin’ny fikambanana « la charité Madagascar » dia tsy miorina amin’ny resaka finoana ny asa ataon’ny fikambanana hatramin’izay dimy taona nisiany izay. Nambaran’i Mamod Zouber fa fanasoavana ny mpiara-belona no fototry ny asa ataon’ny « association la charité Madagascar ». Noho izany manampy ny olona sahirana rehetra tsy ankanavaka izy. Avy amin’ny faha-folon-karenan’ny mpino silamo, fandraisan’anjaran’ny mpikambana sy ny malala-tanana no ahafahan’ity fikambanana ity manao asa sosialy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *