Socio-eco

ASA MOMBA NY NOMERIKA: Orinasa 20 mandray tanora vao nahazo diplaoma sy am-pitadiavana asa miisa 3000


An-jatony no hahazo asa eo no eo. Nanomboka androany 27 janoary 2023 ny Zah@Geek, Mbola  hitohy rahampitso 28 janoary 2023 eny amin’ny Radisson Blu Tana Waterfront Ambodivona ny hetsika natao ampahafantarana ireo karazan’asa miompana amin’ny nomerika. Voalohany teto Madagasikara no nisy hetsika tahaka izao. Ny Orange Digital Center (ODC) miaraka amin’ny FrenchTech Antananarivo no mikarakara azy. Orinasa 20 no mampiranty ireo tolotr’asa momban’ny nomerika  ary mandray tanora vao nahazo diplaoma sy am-pitadiavana asa miisa 3000.  Handray mpiasa 100 eo no eo ihany koa ireo orinasa mandritra io fotoana io, amin’ny  alalan’ny “job datings” sy “speed recruitings”. Nanatrika ny lanonana fanokafana ny hetsika Ramatoa Rahantanirina Vavitsara Gabriella, Ministry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak’asa sy Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar. “Tohin’ny ezaka ataon’ny Orange Madagasikara amin’ny alalan’ny Orange Digital Center ho fampananan’asa ny tanora, ho fanomezana asa ny tanora vao nahazo diplaoma na ihany koa ireo tsy manana diplaoma ity salon des emplois de numérique andiany voalohany ity”, hoy i Frédéric Debord. Nanamafy ny Ministra fa voalohany teto Madagasikara no nisy hetsika ho an’ny asa momba ny nomerika. “Manampy ny tanora hahazo asa mendrika ny hetsika tahaka izao satria tanora an-jatony no hahita asa eo no eo”, hoy izy.

 Ankoatra ny  fampirantiana eny amin’ny trano heva dia hisy ihany koa ny  fanentanana, famelabelaran-kevitra, torohevitra momba karazan’asa momba ny nomerika. Eo ihany koa ny fampiofanana isan-karazany.  Noho ny fiarahamiasan’ny  Orange Madagascar sy ny Huawei dia ho hita eny an-toerana ny 5G Lab izay ahafahan’ny mpitsidika maka traikefa momba zavamisy an’habaka sy ny “IOT”. Hanampy azy ireo hahafantatra bebe kokoa ny tombontsoa sy fiantraikan’ny 5G  io fitaovana io. Tohiny ny asa efa nataon’ny ODC ity hetsika ity. Nandritra heritaona nijoroany  dia tanora malagasy 1600 no nahazo fiofanana maimaim-poana momba ny nomerika.Vehivavy ny 60 % tamin’ireo.  Tsara ny mampiatsiahy fa ivon-toerana misokatra ho an’ny rehetra ny ODC. Ahitana fandaharan’asa  toy “Ecole du code », « FabLab Solidaire », fanosehana ireo tetikasa (start-up) ary Orange Fab ao aminy. Nahazo tohana ara-bola avy amin’ny Orange Ventures Africa ny ODC ho fanohanana ireo tetikasa vao misandratra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *