Socio-eco

APPLICATION ORANGE MONEY: Nohamoraina ny fampiasana ny Orange Money


Noho ny fisian’ny  » application Orange Money » dia miha mora ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny Orange Money. Nampahafantatra misimisy kokoa momba ity « application Orange Money » ity i Frédéric Debord, Filohan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Orange Money Madagascar sy i Mathieu Berthelot, Tale jeneralin’ny Orange Money Madagascar ny alarobia 27 Aprily 2022. Raha ny fanazavan’izy ireo dia manamora ny fividianana entana, fandefasana vola, fividianana fahana na tolotra ny « application Orange Money ». Haingana kokoa sy azo antoka ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ity application ity noho izy afaka miditra mivantana ao anaty « répertoire » mba hisorohana ny fahadisoana nomerao handefasana vola. Eo ihany koa ny fangatahana « empreinte digitale » na « face ID », arakaraky ny lentan’ny findain’ny mpanjifa, rehefa handefa vola. Nambaran’i Frédéric Debord fa fahombiazana ho an’ny Orange Money fahafafahana misitraka izany ka izany indrindra no antom-pisian’ireo toeram-pivarotana miisa 15.000 ahafahana maka na mandefa na mametraka vola. « Afaka hanaovana Orange Money sy ampiasaina ny kaody #144# avokoa izay karazana finday rehetra na mbola 2G aza. Hohamafisina izay fahafahana misitraka ny Orange Money izay ho an’ny taona manaraka amin’ny alalan’ny fampitomboana ireo toeram-pivarotana manerana an’i Madagasikara sy fanitarana ny tambazotra Orange. Rehefa toerana ahitana tambazotra Orange dia misy Orange Money », hoy izy. Azo alaina ao amin’ny « Google play » ho an’ny finday « Android » sy « Apple store » ho an’ny finday IOS amin’ny anarana hoe « Orange Money Afrique » ny application Orange Money.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *