Socio-eco

Antoko politika MSV: Hamerina ny rafitra fokonolona


“Tsy voatery avy aminay ny kandida handray anjara amin’ny fifidianana filohampirenena”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Sahy sy Vonona (MSV) nandritra ny fijoroan’ny antoko tamin’ny fomba ofisialy androany 09 jona 2018. Nohazavain’ny filoha nasionalin’ny antoko politikan’ny MSV, Jean Nirina Rafanomezantsoa fa raha mahita olona tena resy lahatra afaka manatanteraka ny vinan’ny antoko izy ireo dia vonona hanohana azy. Raha tsy mahita kosa dia tsy maintsy hanolotra kandida avy amin’ny antoko ihany ny MSV handray anjara amin’ny fifidianana filohampirenena. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny antoko hatrany, efa antoko politika mijoro ara-dalàna sivy izao no nanatona azy. Ny efatra tamin’ireo no efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hanohana ny MSV amin’ny fifidianana filohampirenena. Ny dimy tamin’ireo kosa nangataka ho kandida an’ny antoko. Mbola dinihana ny momba izany.

Andraikitry ny fokonolona

Miainga amin’ny rafitry ny fokonolona sy fokontany ny vina apetraky ny antoko politika MSV. Fandaharan’asa voalohany ho tanterahinay ny fandravàna ny lalàm-panorenana. Hampidirina ao anatin’ny lalàm-panorenena vaovao ny rafitra fokonolona sy ny fokontany. Tanjonay ny famerenana ny fahefana avy any amin’ny vahoaka, hoy i Jean Nirina Rafanomezantsoa. Noho izany handray andraikitra mivantana amin’ny fampandrosoana fokonolona ka miainga amin’izy ireo ny fanapaha-kevitra rehetra.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *