politique

ANTENIMIERANDOHOLONA : Mahatsiaro ho nanaovana taim-bava


Nanazava ny resa-bola ao amin’ny Antenimierandoholona ny kestora voalohany, loholona Abdirassoul Mourad, omaly 25 aprily 219.  Nambarany fa tsy ny loholona 63 irery no misitraka ny tetibola 33 miliara Ariary natokana ho an’ny Antenimierandoholona. Nanamafy izy fa 33 miliara Ariary ny tetibola ho ampiasain’ity andrim-panjakana ity raha ny lalàna mifehy ny tetibola 2019.  Nampidinina ho 23 miliara izany tamin’ny lalàna mifehy ny tetibola nasiam-panitsiana. Nilaza ihany koa ny loholona Betiana Bruno fa na dia foanana aza ity andrim-panjakana ity dia mitohy ny fampiasàna io tetibola io, handoavana ny karaman’ireo mpiasam-panjakana ao amin’ny Antenimiera miisa 560.

Naneho ny heviny ihany koa ireo loholona momba fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019. “Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy misy ny fandaniana na dia ampiarahina aza ireo fifidianana roa ireo toy ny fividianana vata fandatsaham-bato natokana ho an’ny fitsapan-kevi-bahoaka”, hoy ny loholona Rakotovazaha Olivier. Fitsitsiana amin’ny lafiny  inona no nambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana? Nametra-panontaniana ihany koa ity loholona ity: miova ho Repoblika faha-dimy ve izany isika satria ho foanana ny andrim-panjakana iray izay anisany maha tany Repoblikanina antsika? Nampatsiahy ihany izy fa efa nisy ny “jurisprudence” nanoloana ny fikasana ny hanafoanana ny Antenimierandoholona tamin’ny taona 2003. Tsy nanaiky izany anefa ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC).

 “Miandry ny valin-tenin’ny ny HCC izahay. Manome endrika ratsy ny fitsarana ny tsy fanajana io jurisprudence io”. Ankoatra ny maha mpanolontsaina ny governemanta, mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy mpanao lalàna ny loholona ary solontenan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny loholona dia anisany andrim-panjakana miantoka ny fahamarinan-toerana ny fanjakana ny Antenimierandoholona. Fa maninona izahay no nanaovana taim-bava, hoy ry zareo ningonongonona?

 Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *