Socio-eco

AMBATOZAVAVY , NOSY BE : Notokanana ny faha-38 « Maison Digital » ho an’ny vehivavy


Tsy mitsahatra mitsinjo ny vehivavy. Notokanan’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord sy ny filohan’ny Orange Soidarité Madagascar, Benja Arison ny 14 april 2022 ny « Maison Digital » ho an’ny vehivavy faha-38  ao Ambatozavavy, Nosy Be. Niarahana niasa tamin’ny fikambanana « Gammes Montantes » izy ity. Ny Orange Solidarité Madagascar no manohana ara-bola. Ity ivon-toerana ity dia manofana ho an’ireo vehivavy momba ny informatika, teny anglisy ary ny fandraisana vahiny sy ny fizahan-tany. Eo amin’ny enim-bolana arakaraka ny hafainganan’ny fiofanana ny faharetany. Hahazo tombony amin’ny fianaran’asa ihany koa izy ireo noho ny fiaraha-miasa amin’ny Wings of Change. Nandritra izao fitokanana izao no nanolorana ireo fitaovana ampiasaina ao anatin’ity ivon-toerana ity, toy ny  laptops miisa10, tablette miisa 20, serveurs Raspberry miisa roa ary,imprimante ary speaker sy ireo kojakoja isan-karazany.

Ity « Maison Digital » ity dia mikendry ny hampiroboroboana mba hampidirana ireo vehivavy ho matihanina amin’ny fikirakirana ny fitaovana nomerika sy ireo rindrambaiko fototra. Vehivavy an-jatony no mahazo tombony amin’ny fianarana izay maimaimpoana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *