Socio-eco

AMBATOVY : Nanome tolo-tanana ny kaominina Antananarivo renivohitra


Ao anatin’ny ezaka fanampiana vonjitatra ireo traboina vokatry ny rotsakorana namely ny faritra maro teto Madagasikara, indrindra ny teto Andrenivohitra, dia nanolotra vary 10 taonina ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) Ambatovy, ny Alakamisy 27 janoary 2022. Izao anjara biriky nentin’ny Orinasa izao dia natao indrindra mba ho fanampiana ireo traboina amin’ireo zavatra ilainy tena maika indrindra, ary manampy ny ezaka efa ataon’ny CUA amin’ny fandraisana an-tanana sy fikarakarana ireo traboina any amin’ireo toerana natokana handraisana azy ireo eto Antananarivo Renivohitra. Nandray io fanampiana io ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina. « Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana vonjitaitra ireo traboina eto Andrenivohitra Ambatovy amin’ny alalan’ny fanohanana ireo ezaka efa ataon’ny Kaominina Antananarivo, toy ny efa nataonay tao Moramanga omaly », hoy ny Filoha Lefitra misahana ny Fandrosoana Lovainjafy ao Ambatovy, Atoa Philippe Beaulne, nandritra ny fanolorana ireo fanomezana ireo. Izao tolotra izao dia tohin’ny fanampiana efa nomen’Ambatovy ireo traboina ao amin’ny Distrikan’i Moramanga, izay nomena vary 10 taonina, omaly Alarobia 26 janoary 2022.

Nangon’i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *