Socio-eco

AMBATOVY : Nanolotra « Sulfate d’alumine » 10 taonina


Amin’ny maha orinasa mandray andraikitra sy mpikambana feno azy eo anivon’ny fiarahamonina dia mijoro hatrany ho mpiara-miasa stratejika amin’ireo tetikasa fampandrosoana hositrahin’ny vahoaka Malagasy Ambatovy. Nanome « sulfate d’alumine » 10 taonina tao Toamasina i Ambatovy, ny 13 mey 2022 ho fanampiana amin’ny famatsiana rano fisotro madio eto Madagasikara. Ampiasaina amin’ny fanadiovana ny rano ho lasa rano fisotro madio izay zaraina amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny tambajotra ho an’ny daholobe ny “sulfate d’alumine”. Nanatrika ny fanoloran’Ambatovy ireo “sulfate d’alumine” 10 taonina ireo ny solontenan’ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary Fidiovana any an-toerana, Atoa Rakotondranaivo Solonirina Aimé Joseph, ny Tale iraisam-paritry ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, Rtoa Gilbert Sylvie ary ny Tale iraisam-paritry ny Jirama ao Toamasina, Rtoa Andriamampionona Tsitohery Francesca.

Nanangona, Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *