Evenement

Ambatovy : Hanome vatsim-pianarana ireo mpianatra zazavavy avy amin’ny fianakaviana marefo



Ho fandraisany anjara amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana dia hanolotra vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra zazavavy avy amin’ireo fianakaviana marefo ao anatin’ny faritra iasany ao Toamasina sy Brickaville Ambatovy manomboka amin’ny taom-pianarana 2021-2022.

Tafiditra ao anaty tetika  filamatra io fanampiana ataon’Ambatovy io ka ankizy mahafeno ny fepetra
takiana ( fahazoana ny salanisa ilaina, fisoratana anarana amin’ireo sekolimpanjakana ao Toamasina I na II na Brickaville) mianatra ao amina sekoly 28 avy amin’ireo toerana ireo no voakasika.

Tanjona amin’izany ny hanampiana ireo mpianatra zazavavy hahazo fanabeazana tsaratsara kokoa sy hanamaivanana ireo fandaniana amin’ny fampianarana azy ireo izay tsy maintsy zakain’ny ray aman-dreniny. Voakasik’io vatsim-pianarana io ny fandoavana ireo sarampisoratana anarana, ny saram-pianarana isam-bolana ary ny fandaniana hafa mikasika ny fianaran’ireo ankizivavy ireo. Raha mahafeno hatrany ireo fepetra takiana ny mpianatra dia azo avaozina isan-taona ny fisitrahany an’io vatsimpianarana io mandra-pahazoany ny diplaoma BEPC.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *