Socio-eco

AMBATOVY – DRPEB : Hanamafy ny fahafahan’ny mponina miatrika ny fiovan’ny toetrandro


Vita sonia ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’Ambatovy sy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Atsinanana (DRPEB). Nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa hanohanana ny jono maharitra ao amin’ny kaominina Toamasina sy Amboditandroroho Ambatovy sy ny DRPEB, ny fiandohan’ny volana septambra 2022 teo, tao Toamasina. Izany dia tafiditra ao anatin’ireo ezaka ataon’Ambatovy amin’ny fametrahana ny fandrosoana lovainjafy ao amin’ireo faritra iasany. Haharitra telo taona ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ary mikendry indrindra ny hanatsara ny fidiram-bolan’ny mpanjono, ny hampaharitra ny jono ary hanamafy ny fahafahan’ny mponina miatrika ny fiovan’ny toetrandro. Isan’ireo mizaka ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro  iny faritra iny. Ambatovy no hiantoka ny famatsiam-bola ny fandaharanasa ary ny DRPEB hanohana eo amin’ny lafiny teknika (tolo-kevitra, fampiofanana, fanolorana teknisiana).

Nangon’ i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *