Socio-eco

ALPHA CIMENT : Feno 40 taona ny ozinina mpamokatra simenitra vita malagasy ao Ibity, nahazo tombontsoa tamin’ny fisiany ireo mponina manodidina


Andriamanantena Andry, Tale misahana ny ozinina

Andriamanantena Andry, Tale misahana ny ozinina

Nihatsara ny famokarana simenitra vita Malagasy. Manana toeram-pamokarana simenitra telo (03) ny Alpha Ciment: ao Ibity, Toamasina, Tanjombato. Ny ao Ibity no ozinina lehibe indindra. “Ity ozinina ity irery ihany no mpamokatra simenitra – manomboka amin’ny fitrandrahana ny akora fototra ka hatramin’ny fanodinana azy ho lasa simenitra sy famonosana ary ny fampidirana azy anaty kamiao- eto Madagasikara sy ny ranomasimbe Indiana”, hoy i Andriamanantena Andry, Tale misahana ny ozinina ao Ibity, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety,ny 18 jona 2025.

Mirefy 60 hektara ny fitambaran’ny ozinina ka toeram-pitrandrahana ny akora fototra antsoina hoe “cipolain” na vato sokay ny 50 hektara. Toeram-panodina ny simenitra kosa ny 10 hektara ambiny. Telo ny akora fototra hanamboarana simenitra: vato sokay, “pouzzolane”, tanimanga, araka ny fanazavan’ Andriamanantena. Any Tritriva no hakana ny “pouzzolane” ary any Andranomanelatra ny tanimanga, samy ao Antsirabe, faritra Vakinankaratra.

 

Vincent Blanchet, Tale Jeneralin’ny Alpha Ciment

Vincent Blanchet, Tale Jeneralin’ny Alpha Ciment

Mampiasa olona miisa 115 ny ozinina. Anarivony kosa ny mpiara-miasa akaiky amin’ny orinasa. Fantatra amin’ny famokarana simenitra Orimbato, Manda, Lafatra ary Lova ny Alpha Ciment. Ny simenitra lova sy lafatra no tena vokarina ao Ibity. Nambaran’i Vincent Blanchet, Tale Jeneralin’ny Alpha Ciment fa nihatsara ny famokarana simenitra vita malagasy. “Raha 60.000 tonnes isan-taona no novokarina nanomboka tamin’ny taona 1950 dia nitombo avo telo heny izany ankehitriny, lasa 180.000 taonina”, hoy izy.

Mankalaza ny faha-40 ny taona ny ozinina mpamokatra simenitra vita malagasy ao Ibity ka natomboka tamin’ity volana jona ity ny fankalazana. Hetsika maro no karakarain’ny orinasa ho fanamarihana izany mandra-pahatapitry ny taona 2025. Ankalazaina amin’ity taona ity ihany koa ny faha-75 taona nisian’ny Alpha Ciment. Tany am-piandohana, ny taona 1950, nitondra ny anarana CIMA sy MACOMA ny orinasa ka ny akora fanamboarana foto-drafitrasa toy ny tafo, “fer à beton” no nahafantarana tamin’izany. Nanomboka ny taona 1985 dia niompana tamin’ny famokarana simenitra ka ny Holcim sy Cementis no anarana nahafantarana ny orinasa. Lasa Alpha Ciment ny taona 2024. Vinavinaina ho 1.200.000 taonina isan-taona ny filàna ara-tsimenitra eto Madagasikara ka 46 % na 550.000 taonina dia ity orinasa ity no mamatsy izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny orinasa hatrany.

Lisea Mandrisoa Ibity – LMI

Randrianasolo Herimanantsoa Jean Pierre, Mpianatry ny Lisea Mandrisoa Ibity

Randrianasolo Herimanantsoa Jean Pierre, Mpianatry ny Lisea Mandrisoa Ibity

Nihena ny vola nivoaka tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra rehefa vita ny lisea an’Alatsinain’Ibity.Talohan’ny taona 2020, manenjika any an-tampon-tanana an’Antsirabe, 25 kilometrata miala ny kaominina Ibity, ny mpianatra raha te hanohy ny fianarany rehefa afaka fanadinana BEPC. Toa an’i Randrianasolo Herimanantsoa Jean Pierre, monina ao amin’ny fokontany Ampompoa dia mandany eo amin’ny 50.000 Ariary, farafahakeliny, isam-bolana izy tamin’ny nanohy ny taona voalohany amin’ny lisea (classe de Seconde), tany an-drenivohitra.

 « Mahatsapa izahay fa misy tombony ny fijoroan’ny lisea teto amin’ny kaominina misy anay satria mandeha an-drenivohitra (Vinanikarena, Antsirabe, Manadona) taloha rehefa te hanohy fianarana hatrany amin’ny kilasy famaranana. Hatramin’ny nijoroan’ny sekoly anefa dia miha maivana  ny vesatra eo amin’ny ray aman-dreny  satria mba  eto an-toerana ny toeram-pianarana. Lasa 10.000 Ariary eo ny fandaniana: handoavana hofantrano, hividianana kojakoja toy laoka, savony sy menaka”, hoy ity tovolahy, kilasy famaranana ao amin’ny lisea Alatsinainy Ibity ity, nandritra ny hetsika  famaranana ny taom-pianarana izay natao hizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo telo voalohany mendrika indrindra isaky ny kilasy, ny 18 jona 2025. Valo (08) kilometatra miala ny toeram-pianarana ny trano fonenany ka  nisafidy nanofa trano manodidina ny sekoly izy, araka ny fanazavany.

Rafidinjanahary Fabrice, tomponandraikitra misahana ny fampianarana eo anivon’ny lisea LMI

Rafidinjanahary Fabrice, tomponandraikitra misahana ny fampianarana eo anivon’ny lisea LMI

Ny taona 2020 no niforona ny lisea Alatsinainy Ibity. “Ny efitrano malalaky ny kaominina no nampiasaina tamin’izany. Manodidina 23 teo ny mpianatra. Nanomboka ny taona 2023 nampiasana ny lisea vaovao dia tafiakatra 200 mahery ny mpianatra”, hoy i Rafidinjanahary Fabrice, tomponandraikitra misahana ny fampianarana eo anivon’ny lisea. Mbola mpampianatra FRAM, miisa 13, no mampiodina sy mampandeha ny sekoly. Anisany fangatahan’izy ireo ny fampidirana azy ireo ho mpiasam-panjakana satria mbola ny ny ray aman-drenin’ny mpianatra no mandoza ny karaman’izy ireo hatreto.

Lisea Mandrisoa Ibity - LMI

Lisea Mandrisoa Ibity – LMI

Ny orinasa Alpha Ciment, mpamokatra simenitra eto Madagasikara no nanohana ny kaominina Ibity tamin’ny fanamboarana ny Lisea Mandrisoa Ibity – LMI eny Alatsinainy, kaominina Ibity . Ahitana efitrano miisa enina ny sekoly. Nanome ny dabilio miisa 150 sy latabatry ny mpampianatra ary “armoir” ny orinasa. Tafiditra ao anatin’ny fandraisan’andraikitry ny orinasa amin’ny lafiny ara-tsosialy ny fananganana izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *