Socio-eco

AIRTEL QUIZZ MLAY: Loka 3 nozaraina ho an’ireo andiany faharoa


Mpanjifan’ny Airtel Madagascar miisa telo (03) no nahazo « moto », « cuisinière à gaz » Ary « four micro-ondes ». Tsara vintana tamin’izany Raholivololona Andriatsilaizina, Saholy Rasoharimalala ary Rakotoarisoa Andrianiriana. Nandray anjara tamin’ny lalao Airtel Quizz Mlay izy telo mianadahy ireto. Anisan’ireo nanana isa be indrindra ry zareo ka izay no antony nahazoan’ireo loka ireo. Ny alatsinainy 30 janoary 2023 teny amin’ny foiben’ny Airtel, Ivandry no nanolorana izany.  Loka mialoha fizarana an’ilay fiara vaovao ho an’ny lalao andiany faharoa ireto nozaraina ireto. « Fun Quizz taloha ity lalao ity fa nasiana fanatsarana ka lasa Quizz Mlay. Fizarana loka eo anelanelan’ny loka goavana ity androany ity », hoy Ratsimbarison Anna, Tomponandraikitrin’ny serasera Airtel Madagascar.

Nanomboka tamin’ny taona 2022 ny lalaolalao Quizz Mlay ka fiara vaovao SUV no loka goavana nozaraina ho an’ny mpilalao be isa indrindra. Nandrombaka izany Ramatoa Ratsimbanirina Nivomalala. Mbola mitohy amin’ity taona 2023 ity ny fizarana fiara. Lalao mampialavoly sy ahazoana fahalalana ny Quizz Mlay.  » Fomba iray hampifaliana ny mpanjifan’ny Airtel ihany koa no nikarakarana ny lalao », araka fanazavany hatrany. Mandefa  SMS hoe :  « Alefa » amin’ny laharana 033 56 000 30 raha te  handray anjara amin’ny lalao. Mila mamaly izay fanontaniana voaray ka mahazo isa 50 raha marina ny valiny, isa 10 raha diso. Ny mpilalao mahazo isa be indrindra no mahazo ny loka goavana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *