Socio-eco

AIRTEL MADAGASCAR – 10.000 CODEURS: Tanora malagasy miisa 10.000 hahazo fiofanana maimaimpoana momba ny asa manodidina ny nomerika


Hampihena ny isan’ny tsy an’asa. Betsaka ny orinasa no mitady mpiasa mahafehy ny tontolon’ny nomerika  saingy mbola vitsy no afaka hanao izany raha ny eto Afrika, ao anatiny i Madagasikara.  An-tapitrisany isan-taona anefa ny tanora tsy an’asa aorian’ny fahavitan’ny fianarana ambaratonga ambony  ho an’ny kaontinanta afrikanina. Andro vitsivitsy taorian’ny fivoriambe momba ny  fampiasana ny nomerika (Assises de la transformation digitale en Afrique – ATDA), andiany faha-12 natao teto Antananarivo ny  19  sy 20 mey 2023, nanambatra ny heriny Airtel Madagascar sy ny fikambanana « 10.000 codeurs » ho fanatantarehana ny teny filamatra vaovaon’ny Airtel Africa – « mihoatra lavitra amin’ny eritreretina » sy ho fampiroboroboana ny fampanan’asa sy ny fanabeazana nomerika ary ho fanampiana ny tanora malagasy. Tontosa ny zoma 02 jona 2023 teny amin’ny foiben’ny Airtel eny Ivandry ny lanonana fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta.

Hanamora ny fahazoan’ny tanora malagasy « pasipaoro  nomerika 10.000 codeurs » ny Airtel. Io pasipaoro io no ahafahana misitraka fiofanana maimaimpoana momba ireo asa manodidina ny nomerika omen’ny  fikambanana « 10.000 codeurs ». Karazan’asa momba ny nomerika mihoatra ny 65 no hita ao amin’ny tranokalan’ity fikambanana mampivondrona ireo manam-pahaizana na mpisehatra amin’ny nomerika ity. Hiara-hiasa ny Airtel sy ny fikambanana hampahafantatra ireo karazan’asa be ilain’ny orinasa, hanome fiofanana momba izany ary hanampy ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa. «Ao anatin’ny vinan’ny Airtel ny fanampiana ny mpanjifa hisitraka ny tolotra rehetra manamora ny fikirakirana vola (inclcusion financière). Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana tanora. Tanora latsaky ny 25 taona ny ampahatelon’ny mponina  eto amintsika (67 %) ary 15 taona ny antsasany amin’ireo (47%). Midika izany fa ireo taranaka ireo no hoavin’ity firenena ity. Ny fandraisan’izy ireo anjara dia hanampy anay amin’ny fanatrarana ny tanjona amin’ny lafiny inclusion financière. Manamafy izany ity fiarahamiasa ity”, hoy i Andrianalison Hantamalala Lydie, Tale Lefitry ny Airtel Money.  Nambaran’ny filohan’ny fikambanana 10.000 codeurs, Douglas Mbiandou fa 15tapitrisa isan-taona ny olona tsy an’asa eto Afrika. “Tetezana iray hampita ny tanora any amin’ny sehatry ny asa ny fiofanana omenay satria anisany fototra iray miteraka fampandrosoana ny nomerika ary efa ampiasaina amin’ny sehatra rehetra toy ny fahasalamana, fambolena, fanabeazana…Hanampy ireo tanora hahalala izany sy hahaleo tena ara-bola ny fiarahamiasa amin’ny Airtel”, hoy izy. Raha ny fantatra dia mpiofana malagasy miisa 100 hahazo ny pasipaoro nomerika amin’ity taona 2023, 1000 ho an’ny 2024 ary 10.000 ho an’ny 2025. Ireo mpianatra eny oniversite miara-miasa amin’ny Airtel no hanombohana izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *