Socio-eco

AGROÉCOLOGIE : Azo antoka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana


Sady miaro ny tontolo iainana no betsaka  ny vokatra. Fanotaniana mipetraka ny hoe ahoana ny atao amin’ity fiovan’ny toetry ny andro ity ? Ankoatra ny fambolen-kazo dia misy ny fomba fambolena miaro ny tontolo iainana. Efa betsaka ny mahalala ny  « agroécologie» na fambolena maharitra kanefa mbola betsaka lavitra no tsy mahalala an’izany. Mora ampiharina ny teknika ny fambolena maharitra izay sady miaro ny nofon-tany sy manatsara azy. Teknika ezahana haparitaka amin’ireo tantsaha ny fambolena maharitra. Nandritra ny «journées Agroécologiques» tao amin’ny faritra Boeny ny 26, 27 ary ny 28 aprily 2022 izay nokarakarain’ny GSDM no nitsidihana ny fambolen’i Regis  ao Marovoay banlieue izay mampihatra ny fomba fambolena maharitra.  Resy lahatra i Régis sy ny ankohonany fa hanao ity fomba fambolena iray ity satria matsiaro maty antoka izy teo aloha . Tany mirefy 11 hektara no ampiasainy amin’ny famboleny izay natomboka tamin’ny taom-pambolena 2021 ka nanaovana ity teknika ity. Nasina tatatra fiarovana, basket compost, fampivadiam-boly….Tanjona ny manatsara ny tany sy ny masom-boly. Vokatra miakatra eo dia misy raisin’ny tetikasa ary misy amidin’ny tantsaha eny an-tsena. Miezaka koa anefa ny tetikasa mitady lalam-barotra hivarotana ireo voakatry ny tantsaha. « miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny agro-écologie raha voahaja ny fampiharana azy. Mba ahatanteraka an’izany anefa dia tokony vahana ny olana ara-tany, ny ady amin’ny dorotanety, voafehy ny momba ny fifindramonina. Andraikitry ny governemanta anefa izany satria tsy ho vitan’ny ety ifotony samirery », hoy i Rajaonina Julien, chef de mission ONG Mazava Prosol.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *