Socio-eco

AGENCE AMBININTSOA: Ny lakilen’ny fitazomana mpiasa an-trano


Tovolahy mpiasa an-trano iray nahazo iray hetsy Ariary. Saro-pady ny asa an-trano satria mampiditra olon-kafa any an-tranon’olona. Ho an’ny “agence Ambinintsoa”, mametraka fitokisana  amin’ireo olona mitady asa an-trano  ao aminy izy. Nambaran’ny mpitantanana ny “agence”, Felana Asmine Ramahakotroka fa mamporisika ireo mpiasa an-trano hatrany izy mba hanaja ny asany satria mampitombo ny fahatokisan’ny mpampiasa izany sady mampaharitra amin’ny asa. Izany indrindra no nahazoan’ ilay tovolahy  io vola io.  Mizara loka ho an’ny mpiasa an-trano naharitra niasa herintaona no mihoatra,  nivoaka tao aminy  ny   “Agence Ambinintsoa”.

Fomba fanao isan-taona izy ity. Mpiasa an-trano 350 nomen’ny “agence” kojakoja an-dakozia, lamba fitafy, lamba firakotra, aro orana, akoho amam-borona….. Lalao madio no natao ka tamin’ny alalan’ny fisarihana ny anaran’ny tsirairay no nizarana ny loka.

Ankoatra ny famporisihana ny “ankizy” hiasa tsara, ho mariky ny fizarana hafaliana amin’izao taombaovao izao  ihany koa ity  fizarana loka ity izay natao tamin’ny 30 desambra 2017, teny Ambondrona.

Asa fiarovana

Manara-maso sy miaro ny zon’ny mpiasa ny “Ambinintsoa”. Mandray ny fitarainan’ireo mpiasa  izy raha toa ka manana olana amin’ny mpampiasa. Ohatra eo amin’ny fandoavana karama. “Mpanelanelana no asany eo”, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Agence sady miandraikitra ny GSPRO Security izay mandray olona mitady asana mpiandry tanana na “Sécurité”.

Nirina R.


One comment on “AGENCE AMBININTSOA: Ny lakilen’ny fitazomana mpiasa an-trano

  1. Marahaban’ ny ekipany ambinitsoa a tananarive , zaho dia avy aty toliara anarako jocelyn isaia 34 taona efa manabady ary zanaka raiky ampla, koa zaho olona mitady asa zay mety amiko koa manana eritseritra hoany a tana aho anefa mnola manomana vola hataoko frais makany azafdy tompoko afaka mandray ahy ve anareo manjapahitako asa tompoko. io numeroko phone 0347981876 misaotra mialoha topmpoko ary makasitraka

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *