Socio-eco

ADY AMIN’NY PARAKY SY SIGARA : Hahazo famatsiam-bola i Madagasikara


600.000 ny olona maty vokatry ny setroka sigara maneran-tany. Mitovy lenta amin’ny mpifoka sigara ny loza mihatra amin’ireo olona manodidina ny mpifoka iray amin’ny toerana mihidy na mifefy. Nohazavain’ny Talen’ny Ofisy nasionaly miady amin’ny paraky (OFNALAT), David RAVELOJOELIANDRIAMBE fa miteraka homamiadan’ny fitaovam-pisefoana sy mitarika fahafatesana ny fifohana sigara sy setroka sigara. Ho an’i Madagasikara, efa misy ny lalàna mandrara ny olona tsy hifoka sigara amin’ny toerana be olona, mihidy na mifefy toy ny ao anaty fiara, tokantrano, toerana fisotroan-toaka…Mandoa lamandy 2500 Ariary izay mandika izany.

Noho ny ezaka nataon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny OFNALAT, nihena ny olona mifoka sigara eny an-dalam-be. Tafiditra ao anatin’ny firenena hahazo famatsiam-bola hiadiana ny amin’ny paraky avy amin’ny fikambanambe iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana (OMS) i Madagasikara. « Tsy betsaka intsony ny olona mifoka sigara eny an-dalam-be. Io ny fanamarihana nataon’ny OMS ka nahatonga ny firenena Malagasy ho voasafidy hahazo famatsiam-bola amin’ny ady atao amin’ny paraky », hoy hatrany ny talen’ny OFNALAT.

Ho fanamafisana ny ady amin’ny paraky, notanterahina ny 24 janoary 2018 ny fanavaozana ny drafitra iadiana ny ady atao amin’ny paraky eto Madagasikara izay niarahan’ny fanjakana Malagasy tamin’ny OMS sy ny masoivoho ny « Grande Bretagne ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *