Socio-eco

ADY AMIN’NY COVID-19 :Nanolotra akanjo fiarovana ho an’ny hôpitaly eto Antananarivo i Ambatovy


Taorian’ny nanomezany akanjo fiarovan-tena 5 200 ho an’ny tomponandraiki-panjakana sy ny mpiasan’ny fahasalamana tao Toamasina, Brickaville, Moramanga, sy ho an’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra, tamin’ny fiandohan’ity volana aprily ity, dia nanohy ny fandraisany anjara amin’ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19 ny orinasa Ambatovy.Nanolotra akanjo fiarovan-tena 3 000 ho an’ny Hôpitaly eto Antananarivo ny orinasa ny 18 Aprily. Isan’ireo asa fanohanana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina Covid-19 izany. Afaka manaron-tava sy loha ireto akanjo fiarovana ireto ary afaka miaraka tsara amin’ny arovava fifohandrivotra, miaro amin’ny mety fivangongoan’ny aratra noho ny fikirakirana fitaovana maro samihafa (traitement antistatique), sady miaro koa amin’ireo singa madinika mety hateraky ny « radioactivité» (EN 1073-2, sokajy faharoa) sy ireo singa mitondra tsimokaretina (EN 14126), ka mahafeno ny fenitra teknika sy ny lafiny fahasalamana takiana. Ireo mpiasan’ny fahasalamana voalohan-daharana, mitsabo ireo mararin’ny COVID-19 sy ireo manao fitiliana, ary ireo rehetra manana andraikitra mivantana ka mety atahorana hifindran’ny Covid-19 no hampiasa ireto akanjo fiarovana ireto, mba hiarovany tena amin’ny tsimokaretina.

Marihana fa efa nanome sakafo  indray mihinana an’arivony mandritra ny 15 andro ho an’ny mpiasan’ny CHU Morafeno sy ny « Centre de commandement opérationnel » ao Toamasina, ary ho an’ireo mpiasa miandraikitra ny « barrages sanitaires » eny amin’ny Lalam-pirenena faha 2 (Marozevo sy Beforona).

Nangon’i Nirina R.


One comment on “ADY AMIN’NY COVID-19 :Nanolotra akanjo fiarovana ho an’ny hôpitaly eto Antananarivo i Ambatovy

  1. Pingback: ADY AMIN’NY COVID-19 :Nanolotra akanjo fiarovana ho an’ny hôpitaly eto Antananarivo i Ambatovy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *