Socio-eco

ADY AMIN’NY COVID-19 : Mandray anjara ny Fondation BOA sy ny banky BOA eto Madagasikara


Laharam-pamehana ireo mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana. Mitondra ny anjara biriky ho fanohanana ny fitondram-panjakana, amin’ny fiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana noho ny coronavirus ny BOA (Bank Of Africa) sy ny  Fondation BOA eto Madagasikara. Anisany mahazo tohana avy amin’izy ireo ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika ary arak’asa (MENETP). Ny 11 mey 2020 lasa no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fanomezana avy amin’ny BOA Madagascar ho an’ity ministera ity izay ahitana arovava miisa 100.000 ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra. FONDATION BOA ET LA BANQUE BOA MADAGASCAR 3 Nanome « eau de javel » 2 000 tavoahangy  sy ranon-tsavony fanasana tanana 2 000 tavoahangy hiantohana ny fahadiovana  eny amin’ny sekoly sy ny liseam-panjakana, vary 16 taonina, tsaramaso 6,6 taonina ary menaka 400 litatra ho an’ny “cantines scolaires” ary fitambarana karazan-tsakafo (packs alimentaires) 4000 isa ihany koa ny Fondation BOA. “Mitentina 530 tapitrisa Ariary ny fitambaran’ireo fanampiana ieo ary haharitra hatramin’ny fifaranan’ny taom-pianarana. Ny 14 mey 2020 teny amin’ny EPP Tanjombato no nanombohana ny fizarana ary nanatrika izany ny  ministry ny fanabeazam-pirenena, ny Ben’ny tanan’ny kaominina Tanjombato, ny Filohan’ny filakn-kevi-pitantanan’ny BOA Madagascar  ary ny filohan’ny Fondation  BOA eto Madagasikara ,Sidika Akbaraly.  Fantatra fa ny 17 mey 2020 ho avy izao dia hizara ireo “packs alimentaires” 600 isa, anjaran’ireo mpianatry any amin’ireo EPP Mampikony any amin’ny faritra Sofia ny ministera  izay marihina fa ny sekoly roa amin’ireo dia ao anatin’ny fanavaozana ny foto-drafitrasa noho ny fanampian’ny Fondation BOA.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *