Socio-eco

4G AN’NY ORANGE: Nahazo tombony ny mpandraharaha ao Fianaratsoa


Ny 15 jona 2018 lasa teo no nanatontosana ny fametrahana ofisialy ny tambazotra 4G Orange Madagasikara tao Fianarantsoa. Nanatrika izany ny tale jeneralin’ny Orange Madagasikara Michel Degland. Iray amin’ireo tanàna lehibe eto Madagasikara i Fianaratsoa raha eo amin’ny varotra. Ahitana orinasa mpamokatra fiara karenjy ihany koa ao an-toerana. « Mitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fampivoarana ny fifandraisan-davitra ny orinasa Orange. Fivoarana iray mitondra tombotsoa eo amin’ny tontolon’ny toe-karena sy ny fiarahamonim-pirenena izany » araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Orange.

Tamin’io andro io ihany no nihaonan’ny tale jeneralin’ny Orange Madagasikara tamin’ireo mpianatra mandalina ny informatika   sy ireo injeniora informatika izay mpanjifa  ny tambazotran-tserasera orange. Tombony ho an’ny mpandraharaha ara-toe-karena ao Fianaratsoa ny fisian’ny 4G satria hampitombo ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo firenena  manerana izao tontolo izao.

Nametraka programa “SuperCodeur”  ihany koa ny Orange Madagasikara ny 15 jona 2018 lasa teo. Ny loha-laharana amin’izany ny fanentanana ny tanora, ny ankizy 9 hatramin’ny 14 taona hanao « codage informatique ». Hanampy azy ireo hamorina kilalao ny « SuperCodeur ». Manohy ny fanampariahana ny tambazotra 4G ny Orange.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *