Mahoraka

LOZAM-PIFAMOHIVOIZANA : Vokatry ny « Point mort » maty “moteur”


Fomba ratsin’ny mpamily fiara mihitsy, indrindra fa ny mpikarama manao “pikla” (taximètre) ny manao “point mort” sady mamono môtro (afo na “moteur”), noho ny fiheverana fa mitsitsy lasantsy hono! Vidian-dafo anefa ny vokatr’io fiheveran-diso io rehefa ho avy ny maloto tsy omby lava-pako, ary tsy mila fanazavana izany.

Tsy ho fandatsana sanatria kabary, fa Délire Madagascar aza mbola niarahaba ity mpamily taxi 4L tra-doza, tsy maty fo aman’aina, rehefa nihazakazaka nanampy ilay mpamily nifandona taminy, nanome tanana azy nivoaka avy ao anaty fiara niforitra roa. Tsy fandatsana mihitsy fa tsiahy fotsiny ho an’ny mpikafiry an’io fanaovana “point mort” maty “moteur” io.

Avy any Ambatovinaky ity taxi 4L no nilaozan’ny “frein”. Sady tsy nisafidy nidina ny “CITE” izy no tsy nivily nankany Amparibe, fa dia naleony nanitsy “sens interdit” nihazo ny manoloana ny JIRAMA Ambatonakanga. Raha teo amin’io parking io dia efa nadonany tany amy “benne” zaoridira ny elatra havanan’ilay fiara, dia efa vita hatreo ny resaka. Nikasa loatra ny tsy hisian’ny fahasimbana angamba Ranamana, ka dia naleony nanohy nidina sy nikaroka nampiditra “première vitesse” na “marche arrière” mba hampikatsoana, na farafaharatsiny hampihisatra ilay fiara. Tsy izany anefa no vokatra hazo fa nikohaka sy nikaraoka be fotsiny ny “vitesse”, ary ilay fiara nihanahazo fidinana ihany ka nanohy ny diany nitsotsotsotso. Ny familiana (Volant) sisa no namikirana ka afa-doza ilay taxi 4L iray niakatra, samy nahay nifanena izy roroa. Fa ity Sprinter iray niakatra kosa, no tsy afa-niala intsony, na dia nanao ezaka nihanika ny “trottoir” ankavia aza ilay mpamily. Naniry indrindra raha naniry, ny mpamilin’ilay 4L ny hitsofoka tanelanelan’ilay Sprinter sy 4×4 nijanona amy sisin-dalana, kinanjo mbola tsy tafakatra tanteraka ny “trottoir” ny rambon’ilay Sprinter dia efa nidoboka toy ny vara-datsaka ny fifandonana. Mafy dia mafy io fifandonana io, ka ny “capot” sy “batterie” ary “roue de secours” an’ilay taxi 4L aza dia nikipaka nidaraboka eo amy ny arabe.

Naratra ilay mpamily, teo ambany tetamasony no nikoriana ny ra, ary hoatran’ny tsy mbola tonga saina tsara izy raha tafavaoka ny fiara. Lasa nandeha, toa niteny fa hiantso olona, kanefa mbola tsy tafaverina nandritra ny fotoana lavalava nanaovan’i Délire Mada fanadihadiana tamin’ny mpamilin’ilay Sprinter. Teo no nahalalana fa taxi-brousse vao tonga avy any Diego nanao lavalina, ary handeha hody hatory ireo mpamily. Sahiran-tsaina koa ilay mpamily miantso ny tompony (na ny rainy) manazava ny fisehon-javatra Alahady maraina io.

Mba aoka re izay, ary fadio ilay fikafiriana lasantsy amy “point mort” sy famonoana môtro é!

Razaka Oliva

Indro ny anterivava natao ilay mpamily Sprinter, teo no ho eo


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *