Socio-eco

VOVONANA NEXTA: Miantso ireo manana tetikasa


Natao ho an’ny tanora na efa mahazoazo taona manana tetikasa ny vovonana Nexta. Ny vondrona Axian no namorona azy ity mba ahafahana manampy tosika ireo te hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana. Orinasa 16 no mivondrona ao amin’ny Axian ary misandrahaka amin’ny sehatra maro toy ny angovo, fitantanam-bola, fifandraisan-davitra ary « immobilier » ireo orinasa ireo. Manana mpiara-miasa 3500 sy « prestataires de service » 750 ny vondrona. Ho fanamafisana ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fampananan’asa eto Madagasikara, nampivondrona ireo fikambanana efa misy eto Madagasikara ny Nexta. Notontosaina tamin’ny famaranana ny fankalazana ny herinandro iraisampirenena ho an’ny fandraharahana (Global Entrepreneurship Week) ny 16 novambra 2018 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny vononana sy ireo fikambanana enina dia ny vondron’ny vehivavy mpandraharaha « EFOI », ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy mpandraharaha « BPW », ny fikambanana mampiroborobo ny fandraharahana sy ny asa UIEE, ny fikambanana miahy ny ankizy sahirana « SOS Village d’enfant » ary ny fikambanana manampy ny tanora hahay hifehy ny fikirakirana ny informatika « Hay Madagascar ».

Tombontsoa

Tsy ho ela dia hisokatra ny biraon’ny vovonana Nexta handraisana ireo tanora na efa mahazoazo taona manana tetikasa na vao manomboka mandraharaha ka te hilomano ao anatin’izany. Nambaran’ny tomponandraikitry ny fandraharahana ao amin’ny vondrona Axian, Carole Rakotondrainibe fa manome fiofanana sy torolàlana ireo manana tetikasa ny Nexta. Tsy vitan’izany, mbola hisava làlana azy ireo any amin’ireo mpiara-miasa maro be afaka hamatsy vola ny tetikasa ihany koa ny vovonana. Nohamafisin-dramatoa Carole Rakotondrainibe fa fanoitra iray ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana satria mamorona asa, manatsara ny fari-piainan’ny tsirairay. Tsikaritra fa mihazakazaka mitady ny fomba rehetra hamahana ny olan’ny tsy fahampian’ny asa eto amintsika ny sehatra tsy miankina.

Lynda A/ Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *