Socio-eco

VEHIVAVY MPANDRAHARAHA : Ho lohany amin’ny « agro-industrie »


Vehivavy mpandraharaha 50 niatrika fiofanana momba ny fanodinana voankazo, ny famokarana vary ary ny fahaiza-mitantana ny orinasa. Avy amin’ny fikambanana 12 mivondrona ao amin’ny  “groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar” (GFEM) izy ireo. Niompana tamin’ny sehatry ny « agro-industrie » atrikasa ka nandray anjara tamin’ny fampiofanana azy ireo teny amin’ny  Pavé Antananinarenina, ny alatsinainy 12 novambra 2018 , ny solontena avy ao amin’ny ministeran’ny indostria sy ny  fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina,  ny ministeran’ny fambolena sy ny  fiompiana, ny ministeran’ny  varotra sy ny fanjifana  ary ny « bureau des normes  de Madagascar ».

Ao anatin’ny tetikasa fanampiana ny vehivavy mpikambana  amin’ny sehatry  « agro-industrie » sy ny paikady hampiroboroboana ny orinasan’izy ireo ity fiofanana ity. Dimy volana ny faharetan’ny tetikasa. « Tanjon’ny fampiofanana ny hampanara-penitra ny vokatra vokarin’ny vehivavy mpandraharaha sy hampiroborobo ny orinasiny. Ho lohany amin’ny resaka indrostria eto Madagasikara ny mpikambana. Manantena fa tsy  hijanona amin’ity fotsiny ny tetikasa fa mbola hitohy », hoy ny lehiben’ny tetikasa, Dhoulifao Ali Said. Nizara ny traikefany  tamin’ireo mpiofana  ireo manam-pahaizana momba fanodinana voankazo, ny famokarana vary ary ny fahaiza-mitantana sy ny fitadiavana famatsiam-bola. Aorian’ny fiofanana, hanaraka akaiky ny tetikasan’ny tsirairay ireo manam-pahaizana. Hamoaka vehivavy matihanina ary  hiparitaka manerana ny tsena ny vokatra vokarin’ny GFEM noho ity tetikasa ity.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *