Socio-eco

VEHIVAVY IHARAN’NY HERISETRA: Ny tokony atao


Mety higadra sazy an-terivozona ny fanaovana herisetra amin’ny vehivavy raha toa ka miteraka fahasembanana ho azy izany, hoy ny mpisolovava Raharivololona Hanitriniaina Andriamanantsoa.   Figadrana hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina kosa raha vono sy ratra miteraka tsy fahafahana miasa hatramin’ny 20 andro. Raha vono sy ratra miteraka tsy fahafahana miasa kanefa mampihorohoro dia figadrana iray ka hatramin’ny 29 andro na lamandy manomboka amin’ny 5000 Ariary ka hatramin’ny dimy tapitrisa Ariary. Raha io sazy farany io dia tsy voatery mihatra avy hatrany ireo fa mety miantona fotsiny.  Raha vao indray mandeha ilay lehilahy no nanao an’izany dia sazy miantona aloha no omen’ny fitsarana azy ho fananarana satria  tsy manasazy ihany no ataon’ny fitsarana fa mananatra ihany koa, araka ny fanazavan’ i Maître Raharivololona Hanitriniaina Andriamanantsoa hatrany. Raha ao anatin’ny dimy taona ilay lehilahy tsy namerina intsony dia voafafa izany, tsy misoratra amin’ny “casier judiciaire” iny sazy iny. Fa raha toa ka mamerina indray izy alohan’ny dimy taona dia tsaraina fanindroany dia miaraka hefainy ny sazy tamin’ny voalohany miampy ny faharoa. Nambaran’ity mpisolovava ity fa arakaraky ny fahalavàn’ny fe-potoana nisian’ny herisetra ny sazy ho azon’ny lehilahy.

Toro-hevitra

Nanamafy ny mpisolovava Raharivololona Hanitriniaina Andriamanantsoa fa tokony ho fantatry ny vehivavy fa manana zo izy, manankasina izy tahaka ny olombelona rehetra. Izy no tompon’ny fanapahan-keviny, tompony ny vatany dia tsy afaka teriterena, zimbazimbaina, tsy afaka ambanimbaniana, hanaovana herisetra. Misy karazany ny herisetra: herisetra ara-batana sy herisetra ara-moraly… Ao anatin’ny herisetra ara-batana  ny vono sy ratra isan-karazany (felaka, daka…). Voasokajy ao anatin’ny herisetra ara-moraly  kosa ny teny marary, ny fitenenana teny ratsy azy,ny  fanambaniana, ny fandroràna,  ny tsy famelàna azy hivoaka ny trano  izay isan’ny fangejana ny vehivavy  tsy hivelatra amin’ny fiarahamonina. “Samy sazian’ny lalàna avokoa ireo”. Raha sendran’ny herisetra ny vehivavy dia mila miresaka amin’ny lehilahy aloha, miteny amin’ny lehilahy fa manana zo mitovy amin’ny rehetra, hoy i Maître Raharivololona Hanitriniaina Andriamanantsoa. Raha mbola mitohy ny herisetra dia misy lalana roa no tokony andehanan’ilay vehivavy: mametraka fitarainana any amin’ny fokontany, ho ampanantsoin’ny lehiben’ny fokontany ilay lehilahy amin’izay fotoana izay dia hatao ny fampihavanana. Raha tsy laitra tenenina izy dia mila manangona porofo momba ny herisetra ilay vehivavy, toy ny taratasy avy any mpitsabo (certificat medical) raha vono sy ratra, lazaina ao anaty taratasy fitoriana kosa raha herisetra ara-moraly. Avy eo mametraka fitoriana eny amin’ny polisy na zandarimaria akaiky azy, na manatona ny fampanoavana  ka eny amin’ny tribonaly no apetraka ny fitoriana. “Fantaro ny zo, raha misy tsy rariny mianjady dia takio ny zo, aza misalasala manatona manam-pahefana fa misy olona hanampy anao na amin’ireny centre d’écoute raha tsy mbola tiana ho tonga eny amin’ny fitsarana satria ny fitantarana ny marary dia efa fanampiana ho an’ny vehivavy”, io no hafatra avy amin’i Maître Raharivololona Hanitriniaina Andriamanantsoa.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *