Socio-eco

TSENAM-BARO-PANJAKANA: Hanafaingana ny fanatanterahana ny fandaharan’asam-panjakana


Singa iray manafaingana na tsia ny fanatanterahana ny programam-panjakana ny tsenam-baro-panjakana. Ny olana anefa dia mivezivezy be ireo mpikarakara ny antontan-taratasy satria toerana samihafa no misy ireo birao hikarakara izany. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanambola (MEF) fa hampivondrona ireo mpisehatra misahana ny tsenam-baro-panjakana amin’ny toerana iray. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 27 aogositra 2019 teny Antsahavola ny “guichet unique” natokana ho an’ny  tsenam-baro-panjakana. Nambaran’ny talen’ny kabinetra avy ao amin’ny MEF, Ranjalahy Haja fa ialàna amin’ny fivezivezena sy hanafainganana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy  ny antom-pisian’ity “guichet unique” ity. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny vaomiera nasionaly misahana ny tsenam-baro-panjakana (CNM), Rabarinirinarison Rindra fa ho vita ao anatin’ny 24 ora ny fikarakarana ny dosie ilaina rehetra satria miasa ao amin’ny toerana iray  ireo tomponandraikitra misahana ny fitantanana ny tsenam-baro-panjakana avy amin’ireo ministera tsirairay (PRMP),  ny  mpanara-maso ny ara-bola, ny CNM, ny sampandraharahan’ny hetra ary ny tahirim-bolam-panjakana.

Raha ny fanazavan’ny talen’ny kabinetra hatrany dia entina hanafainganana ny fanatanterahana ny fandaharan’asam-panjakana sy hampisy fiantraikany haingana any amin’ny vahoaka  ity “guichet unique” ity. Noho izany, hampiharana azy voalohany  ny fanamboarana foto-drafitr’asa eo amin’ny sehatry ny asa vaventy sy ny asa maika. Mbola tetikasa andrana ihany izy ity, hoy ny filohan’ny CNM ka ho jerena raha mahomby na tsia. Efa nisy ny andrana natao  tamin’ny tsenam-baro-panjakana momba ny fanamboarana ny lalàna mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe no natao tamin’izany. Raha ny fantatra, hitohy amin’ny fanamboarana ny lalana RN44, mampikaikaika ny olona mankany Ambatondrazaka ny fampiasana ny “guichet unique”.

Tsara ny mampatsiahy fa tsy nanara-dalàna avokoa ny 50 % ny tsenam-barom-panjakana, araka ny tatitry ny CNM ny taona 2016-2017. “Ny tsy fandefasana ny tolo-bidy any amin’ny gazety no tena nanamarika ny tsy fanarahan-dalàna. Betsaka no tsy mahalala ka lasa olom-bitsy ny mpifaninana”, hoy  Rabarinirinarison Rindra.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *