Socio-eco

TSARADIA: Hiitatra any amin’ireo faritra misarika mpizahantany


Tale jeneraly vaovao, paik’ady mihatsara hatrany. Io ny fanamby ho tanterahan’ny Tsaradia. Nandalo fikorontanana ity zotra anatiny ity teo anelanelan’ny volana jolay sy aogositra 2019. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, noho ny olana ara-teknika vokatry fahasimban’ny fitaovana mampandeha ny fiaramanidina no nahatonga ny tsy fahamarinam-potoana tato ato izay naha velo taraina ny mpanjifa. Nandray ny asany ny 16 aogositra 2019 ny Tale jeneraly vaovao an’ny Tsaradia, Rafanomezantsoa Andriamamonjy ka nampahafantatra ny fizotran’ity sidina anatiny ity ny tenany niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny Air Madagascar, ny 22 Aogositra 2019 teny Antsahavola. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Tsaradia fa ho ezahina hafainganina ny famahana ny olana ara-teknika mba tsy hampisy fiantraikany amin’ny mpanjifa. Ao anatin’izay fanajàna fotoana izay hatrany dia nampiana iray ny fiaramanidina ampiasaina ho an’ny zotra anatiny raha toa ka dimy ny ATR 72 teo aloha. Ny volana oktobra izao no hanomboka hiasa io fiaramanidina io, hoy ny tale jeneralin’ny Air Madagascar, Razafimaharo Rolland Besoa.

Ankoatra izany, ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra dia eo am-pandinihana ny fanitarana ny sidina any amin’ireo faritra mahasarika mpizahantany, mbola tsy handalovan’ny Air Madagascar ny tomponandraikitry ny Tsaradia. Raha ny vaovao voaray, ao anaty lisitr’ireo toerana hanokafana zotra  ny any Antalaha. Nohamafisin-dRazafimaharo Rolland Besoa fa ao anatin’ny drafitr’asa fanarenana ny orinasa Air Madagascar ny fisian’ny Tsaradia. Nanomboka ny fampahafantarana azy, ny 2 jolay 2018, efa nitatitra mpandeha 326.000 isa ny Tsaradia. Raha 85 % ny tanjona napetraka momba ny fanajàm-potoana ka ny 80 % amin’io no efa tratra, hoy ny hatrany ny fanazavana.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *