Socio-eco

TERATANY BRITANIKA NITSORAKA TENY AMBONY FIARAMANIDINA: Hita tao Mahadrodroka ny taolambalony sasantsasany


Noho ny ezaka nataon’ny zandarimariam-pirenena sy ny fokonolona dia hita tao amin’ny  kaominina Mahadrodroka, distrikan’Analalava ny taolambalon’i Alana Moly, tovovavy 21 taona nitsoraka avy eny ambony fiaramanidina, ny 25 jolay 2019 lasa teo.  Ny karandohany misy volokely, taolandamosina, taolana ao amin’ny ilam-pehy no sisa hita, folo andro taorian’io famonoan-tena io, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ ny zandarimariam-pirenena ao Mahajanga, Ralaivaonary D’y La Paix nandritra ny  valan-dresaka niaraka tamin’ny mpanao gazety, omaly  07 aogositra 2019.

Raha ny fantatra dia teratany britanika i tompokovavy. Tonga teto Madagasikara, tao amin’ny kaominina Anjajavy ny tenany ny 16 jolay 2019 hanao fikarohana momba ny drakaka. Nambaran’ny komandin’ny zandarimaria ao Mahajanga fa noho ny fahitany fa tsy hahomby ny fikarohana nataony. Nanomboka teo no diso fanantenana izy ary nanao krizy matetitetika.  Noresahany tamin’ny ray  aman-dreniny izany ary nasain’ireto farany najanona sy nafarany nody ny zanany.  Nanaiky ny handeha hody izy ary ramatoa mpizahantany momba ny biolojika, Ruth Johnson  tao Anjajavy nifankahita taminy no nanankinan’ny ray aman-dreniny  ny fodiany satria nanahy mafy ny tranga nahazo ny zanany izy ireo satria efa tsy nisakafo izy ny andron’ny 24 jolay 2019. Niara-niainga tamin’ny fiaramanidina kely, natokana ho an’olona telo, tao Anjajavy izy mianaka ireto ny 25 jolay 2019 mba hamonjy ny fiaingana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo. Raha ny loharanom-baovao voaray dia dimy minitra taorian’ny fiaingain’ny fiaramanidina ity tovovavy ity no nisefosefo be ary novohain’ny varavaran’ny fiaramanidina. Nifampitazoman’ny mpamily sy ramatoa Ruth Johnson izy  fa tsy voatana ka dia tafatsoraka ihany.

Nilaza ny Kolonely Ralaivaonary D’y La Paix fa tsy ahitana ahiahy momba ny famonoan’olona  ity raharaha ity  fa na izany aza dia ho atolotra ny fampanoavana ny dosie. Ho ankinina amin’ny masoivoho britanika miasa eto Madagasikara kosa ny fikarakarana ny fandefasana ny razana any amin’ny fianakaviany rehefa vita ny “autopsie”.

Lynda A.


One comment on “TERATANY BRITANIKA NITSORAKA TENY AMBONY FIARAMANIDINA: Hita tao Mahadrodroka ny taolambalony sasantsasany

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *