Socio-eco

Rivo-doza “AVA”: Tapaka ny lalana, miakatra sahady ny vidim-bary


Tondraka ny rano, potika ny voly. Tapaka ny lalana, mikatso ny fitaterana. Noho ny voka-dratsy nateraky ny rivo-doza “AVA”, manomboka sahady ny fiakaran’ny vidim-bary. Maro amin’ireo mpivaro-bary no efa mampiakatra ny vidim-bary na dia efa entana tahiry aza. Manodidina ny 100 Ariary eo izany fiakarana izany ho an’Antananarivo. Tokony handray fepetra haingana dia haingana ny sampana mpanara-maso eo anivon’ny ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana mba hisorohana ny fananaraotana mihoa-pampanana.

Lalana tapaka

 Tapaka ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga an’Ambatondrazaka, ny RN34 mampitohy an’i Mandoto sy Antsirabe, lalana ao Miandrivazo… Tsy afa-manoatra ireo mpampiasa ny lalana. Mikatso ny fitaterana ireo vokatra. Niteraka fahatapahan’ny lalana ihany koa ny tetezana lasan’ny rano. Lasibatra tamin’izany ny tetezana ao Vohiposa izay vao vita  vao haingana.

Fefiloha vaky

 Noho ny fiakaran’ny rano be loatra, fefiloha maro no vaky toy ny fefiloha  eny Andohatanjona Itaosy. Vokatr’izany, dibo-drano avokoa ny ankamaroan’ireo tanimboly sy tanimbary manodidina.

Tranga fahita isan-taona eto Madagasikara ny rivo-doza. Namela takaitra ny rivo-doza “AVA” tamin’ity fiandohan’ny taona 2018 ity. Araka ny antontan’isa avy any amin’ny BNGRC, 80.000 ny isan’ny traboina.

Hatreto mbola tsy ampy fiomanana ny fitondram-panjakana amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary. Mihanona amin’ny fizarana kojakoja mandalo fotsiny ihany izany.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *