Socio-eco

ONIVERSITE ANTANANARIVO: Hanoro ny mpianatra vao afaka BAC


Misokatra ho an’ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea na mbola te handranto fianarana eny amin’ny onivesitem-panjakana eny Ankatso ny “salon de l’étudiant”, andiany 2018. Hanomboka ny 24 ka hatramin’ny 26 oktobra 2018 ity hetsika fampahafantarana ny lalam-piofanana eny amin’ny oniversite an’Antananarivo ity. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny fanoroana lalana ny mpianatra ny asa manaraka ny filan’ny fiarahamonina. Hanoro ny mpianatra ny lalam-piofanana sy ny asa mifandraika amin’izany ireo trano heva 40 mitandahatra eo amin’ny Esplanade Ankatso mandritra ny telo andro. Ankoatra ny fampirantiana, hisy ihany koa ny lahadinika hanomezana toromarika ny mpianatra mba hahay hisafidy tsara ny lalam-piofanana tiany ho rantovina.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny oniversite an’Antananarivo, Panja Ramanoelina fa manana ivom-pampianarana 10 ny oniversite an’Antananarivo. Ao anatin’izany ny “faculté des lettres et des sciences humaines (FLSH), « faculté économie, gestion, sociologie », « faculté des sciences et de médecine », « faculté de droit et science politique », ireo « grandes écoles » miisa telo (école normale supérieure, école supérieure des sciences agronomiques, école supérieure polytechnique d’Antananarivo) ary ireo ivon-toeram-pampianarana ambony roa (IES Antsirabe Vakinankaratra, IES Soavinandriana Itasy). Anisany mandray mpianatra 17.000 isan-taona ny CNTEMAD ka anisany mandray anjara amin’ny « salon de l’étudiant » ihany koa ity ivom-pampianarana fampitan-davitra miankina amin’ny fanjakana ity. Mbola misy ireo voka-panadinana avy any faritra mbola tsy tonga eny amin’ny sampandraharaha nasionalin’ny fanadinana. Mety ho 75.000 eo ny fitambaran’ny mpianatra vao afaka BAC manerana ny Nosy, hoy ny filohan’ny oniversite.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *