Socio-eco

ONEP: Roa isan-kerinandro ny fitarainana momba ny herisetra atao amin’ny mpianatra


Sazian’ny lalàna ny fikasihan-tanana mpianatra. Tsapa tato ato fa mbola mitohy ny fanaovana herisetra toy ny fikasihan-tanana  mpianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Vao tsy ela akory fa tamin’ny talata 07 janoary 2020 teo no naharay fitarainana  momba ilay zaza telo taona notsongoin’ny mpampianatra azy ka naratra ny tanany ny teo anivon’ny ONEP (Ofisy misahana ny sekoly tsy miankina), izay ratsa-mangaikan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana teknika ary fampiofanana arak’asa. Araka ny fanazavan’ny talen’ny ONEP, Tsarasidy Marcellin, tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety, ny  10 janoary 2020 fa manda ny tsy hianatra intsony io zaza io noho ny tranga nahazo azy.

Nambarany fa  voararan’ny lalàna ny fanaovana herisetra amin’ny mpianatra araka ny  lalàna iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy izay nankatoavin’i Madagasikara, ny lalàna 2007-023 tamin’ny 20 aogositra 2007 momba zon’ny ankizy. Nilaza ihany koa izy fa manome fahefana feno ny ONEP hanasazy izay manao diso, mampihatra ny herisetra atao an-tsekoly ny arrêté ministeriel 1032 tamin’ny 13 martsa 2017. “Arakaraky ny tranga ataon’ny mpampianatra n any talen-tsekoly ny sazy, na fampitandremana, na fampitsaharana amin’ny asa, na fisintonana ny fahazoan-dalana mampianatra. Ankoatra izany dia misy ny lalàna famaizana raha mikasi-tanana zanak’olona. Tsy mitsahatra ny mampatsiahy izany izahay fa hatramin’izay nahatongavanay teto dia be dia be ireo ray aman-dreny mitaraina fa mbola manao ny ataony ny mpampianatra, ny talen-tsekoly. Indray na in-droa isan-kerinandro ny fitarainana momba ny herisetra voaray eto”, hoy ny talen’ny ONEP.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *