Socio-eco

NID DESIGN: Tolotr’asa maro ampahafantarina eny Ivandry


Fanampiana ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa. Nanomboka androany 22 novambra 2019 ary hifarana rahampitso 23 novambra 2019 eny amin’ny Infinithé Ivandry ny hetsika natokana ho an’ny asa, karakarain’ny Nid Design miaraka amin’ny DCTP (Plateforme pour le Développement des Compétences Techniques et Professionnelles). Amin’ny maha andiany voalohany ny “promotion de l’emploi dans la ville des milles” dia 20 ny orinasa, ivon-toeram-pampiofanana mandray anjara. Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny Nid Design, Lemy Emma nandritra ny fanokafana ny hetsika dia manana tolotr’asa hampahafantarina ny mpitsidika ireo mpandray anjara. Noho izany, hisy ny “speed recruiting” na adina ao anatin’ny fotoana fohy  ho an’ireo mpitsidika mitondra CV (curriculum vitae) mandritra ny roa andro.

Ankoatra izany, azo atrehan’ny rehetra ireo atrik’asa momba ny famoronan’asa, fandraharahana, famoronan’asa amin’ny sehatry ny nomerika. Nambaran’i  Lemy Emma fa betsaka no mivarotra ao amin’ny « facebook »  fa tsy fantany ny fomba hampiroboroboana izany ka lohahevitra iray ho resahana mandritra ny hetsika ny paikady mahomby tokony atao fa indrindra ireo asa azo atao amin’ny sehatry ny nomerika. Nohamafisin’ny mpikarakara fa hisy ny famelabelarana ny fifandraisan’ny « jeux vidéo » sy ny asa, ny dingana arahina raha hanokatra orinasa. Vinavinaina ho 10.000 ny mpitsidika ho avy androany sy rahampitso.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *